Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Thursday, 06 April 2017

MBA AMPIANARO KY ZA A

Bozy ô,
 
Tsy dadanao na neninao daholo ny olona fa mba fidifidio, hono, izay teny havoaka sy izay zavatra soratana.
 
Tsy manana ny ataonao hoe sens de l'humour avokoa ny mana-maso sy manan-tsofina rehetra.
 
Raha tohina ange ny aty, marary ny afero e. Misy manara-maso akaiky sy mangina io ataonao rehetra io. Asa aloha na efa iandrasan'ny olona kendrintohina ianao ka manokana mpiandry raharaha mihitsy izy hitily izay teboka amam-paingo avoakanao. Asa na izany na tonga amin'ilay hoe fianarana ho an'ny mino ianao !
 
Ny voan-teny rehetra alefanao ange ka heverin-dry zareo fa sujet de dissertation daholo e, raisiny ho chef d'accusation ihany koa ange indraindray e. Dia anaovany fivoriana sy fikaonan-doha, voaboasany sy fakafakainy, dia tsy manaiky mihitsy izy raha tsy misy anarana mivoaka hoe zovy no niteny inona taiza ary oviana. Efa akaiky tokoa ny Paka ka tsy ampy i Barabasy.
 
Noho ianao ry Bozy dia mandroso mihitsy ny opérateurs mpanao telefaonina satria eo no ho eo dia raikitra ny texto sy ny antso hoe "nahita FB ve ianareo?", "iza indray no asiany ao?".
 
Bozy ô,
Hay ianao ity dia efa mpanisy ??
 
Raha tsy diso aho dia misy fampihofanana journalistes d'investigation amin'izao volana avril 2017 izao. Mandehana re mba miangavy toerana auditeur libre any. Dia mba ampianaro ry zareo rehefa avy any ianao.
 
Matetika mantsy ianareo, tsy vitan'ny à côté de la plaque, fa derrière la plaque mihitsy, si plaque il y a !
Eisy e.

00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: fils de pharmacien, générique, spécialité | Comments (0) |  Facebook | | | |