Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Tuesday, 11 June 2019

ENTO NY ZIOGAKO !

Hahavitako boky matevina lehibe iray raha ny traikefa tamin’ireto karazana olona « novelominay ». Tsy « mpiasa » izy ireo, satria tsy niasa. Tsy « mpanampy » satria tsy nanampy. Izany hoe nanampy ihany, fa nanampy fahasahiranana.

Tonga avy any, toa tsy « nitady » asa loatra, fa enta-mavesatr’olona tany ho any, nitadiavana toerana hanala sasatra azy mianakavy. Tonga, tsy am-bariraiventy « hono ». Ny sasany, tsy mivingitra afa-tsy sakaosy am-babena anankiroa, hany «entany ». Efa tsy haharitra izy manao an’io. Iantohana manontolo ny lovia aman-tsotro.

Koa satria leon’ny avansy lava tsy ho voaonitra mandrakizay izahay, dia « nomena » hivelomana, mandra-pahatongan’ny faha-15 na faha-30-n’ny volana, handraisany antsasa-karama. Rehefa tonga indray izany fotoana izany, dia « omena » karama feno toy ny avy niasa « feno ». Hevero amin’izany ny fatiantokay. Ireo olona kosa, tsy tahotra, tsy henatra, tsy hambo fa dia manampatra tsara ny hakamoany, manao hena an-tanan-tsaka tanteraka, filôzôfian’ny katsaka anaty lapoaly ka izay tsy mahatanty mipitika.

Izahay no adala. Adala satria raha nanana ny anankiray tamin’ny tahotra, henatra, hambo izy, dia tsy ho toy izao.

Eo am-pahatongavana, raha anontaniana an’izay talenta ananany, dia TSIA avy hatrany no valiny. Mifanohitra amin’ny tany aloha elabe tany : lazaina ho HAY DAHOLO izao rehetra izao satria te hahazo toerana.

Vao ilaozana irery eo an-tanàna, dia misafo ny toerana rehetra. Nisy nahavatra nisava ny toerana fandoroana fako, sao angamba mahita harena nafenina. Ripaka indray mipi-maso izay voan-javatra rehetra azo hanina any rehetra any, heveriny ho tsy fantatray angamba ny fisiany, heveriny ho tsy fantatray fa azo hanina. Sola tanteraka ny mangahazo sy ny vomanga. Ataina hatramin’ny fanoto satria kamo hifako kitay. Ny sasany aza moa, tsy mahay mandrehitra afo fa tselarana solitany ny vatan-kazo mba hirehitra. Voasivana tsara ny sakafo natokana ho an’ny biby fiompy. Tsy misy voasolo izay laniana, fa mandripaka ihany, mandripaka hatrany an’izay tsy nisasarana fa novantanina.

Masiaka be mihitsy ny tena, holazaina fa mandatsa, raha toa entin-katezerana ka hiteny hoe tsy mila diplaoma kosa angamba ny fahafantarana ny atao hoe ahi-dratsy ka tokony hoesorina.

Izay asaina atao aza moa, zara raha vita sasaka, mainka fa ny hanira-tena ! Mahazo manonofy.

Mahagaga fa mamokatra fatratra ry zareo, raha ny ara-taranaka. Raha io asa famokarana anankiray io, dia hay tsara ary hatsaraina mihitsy angamba ny teknika. Ny hany ampiasana ny saina, dia ny fitadiavana olona hatao soavaly, hamelona azy mianakavy.

Ny sasany, adim-pamantaranandro efatra no fe-potoana fanasana lamba. Na lamba firy, na lamba toa inona. Tsy hatoro anareo ny hoe « tay manala sasatra » sy ny « satriko aza maratra ».

Ny sasany, vao tafatombina dia mampiantrano vahiny, mampitombo vava homana. Rehefa tonga anefa ny vahiny, dia mitsahatra avokoa ny asa rehetra. Tsenaina sy aterina rahateo ny vahiny, ary ampitondraina voan-dalana, dia ny vokatray eo an-tanàna, izay efa novantaniny fa tsy nisasarany. Ohatra hoe ravintoto, ohatra hoe voankazo …

Raha ny fikarakarana ny zava-manana aina, dia satriny ho faty avokoa mba hampihena ny zavatra asaina ataony. Tsy miteny mihitsy aho hoe ny « asany » fa ny « asaina ataony ».

Rehefa hiala amin’izay satria ny tany nivokisana tsy itoerana ela, dia mamorona zavatra tsy takatry ny saina, tsy azo porofoina na iadian-kevitra. Toy ny hoe « tsindrian’ny mpamosavy », na « mahita zavatra fotsifotsy be mampitahotra rehefa alina ». Ny marani-tsaina indrindra dia nilaza fa lahimatoa, ka fady an’izatsy sy izaroa !

Olo-mandroso avokoa moa ry zareo, toy ny ankamaroan’ny Malagasy hitako eny rehetra eny : mivingitra telefaona finday roa aman-telo, tsy misaraka amin’ny tena satria mpandraharaha goavana sy tompon’andraikitra ambony eo amin’ny tany sy ny fanjakana, ka tsy maintsy tratra antso andro aman’alina. Mipepipepy toy ny jamba voahitsaka mihitsy raha sendra tsy voafahana ny telefaona.

Hadalana mba nahafehezanay tena ny fizaràna herin’aratra. Herin’ny masoandro no ampiasainay, efa ady aman’aina ny fifehezana azy. Fa dia asa angaha izay nanjo satria ireo fitaovana kely nomena nampiasain’izay olona novelominay tao, dia voakirakira sy voarasarasa tsy nisy noraisina. Tsy hita fa naka olona mpahay teknolojia  hivarina ambanivolo e. Vola nariana avokoa izany, tsy nitakiana onitra. Aiza anefa ireo mpiasa an-trano, sady mahazo karazana anarana no alaina amin’ny karama efa kely ny vidin’ny vera vaky, na inona na inona nahavaky azy. Satria izahay dia adala.

Aiza koa no hisy an’izany, hoy ny be resaka. Aty aminay no misy an’izany. Iainana izany vao fantatra, ary aza manody hoy ny fitenenana.

Te hiasa fa tsy misy asa. Mila traikefa daholo izay hita rehetra. Tsy manana tany izahay nefa te hamboly. Tsy ara-drariny ny ataon’ny mpampiasa. Tsy misy fandriampahalemana any ambanivohitra. Sy ny sisa. Ny amehezako azy dia hoe ny lokanga tsy atao no maha-be ny voatavo.

Tsy hoe ratsy taiza ny olona (tsy ny tanora ihany) fa tsy nisy nitaiza mihitsy. Ny biby fiompinay aza, manana fitsipi-pitondrantena, mahalala tompo. Mba mahalala tahotra rehefa tsy mahalala fanajana !

Raha izany no tenenina, dia ianao ilay tena olon-doza, tsy mivavaka, tsy mataho-tody, tsy mandeha rà, tsy ampahafiriny.

Toy izany no tsy lefitr’ilay havanay, ka dia ny ainy no nanefa. Niandry kendrintohina ireo mpiandry tanàna, hampilamindamina ny feon’ny fieritreretana mba ho « antony » namonoana ilay olona satria « ratsy fanahy ».

Ka na Tanamasoandro, na Tagnamaro, na Isika rehetra miaraka amin’izatsy na izaroa, na îles éparses, na Alefa Barea, dia izany tompokolahy sy tompokovavy no zava-misy sy foto-pisainana eny amin’ny fiarahamonina eny.

 

08:15 Posted by Rondro H REGNIER | Tags: fahantrana, tsy fananana asa, chômage, réalités malagasy | Comments (0) |  Facebook | | | |

1 2 3 Next