Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Tuesday, 17 February 2004

AROVY NY ZAVABOARY

Ho fanatsarana sy ho fikajiana indrindra ny tontolo iainana, no tokony hifikiran’ny tanora dieny izao, ka ho sarotiny sy ho saro-piaro fatratra amin’ny zavaboary manodidina azy.

Manentana ny tanora namany i Fenosoa RAKOTOBE, mpianatra, ka nanoratra ny vetsovetsom-pony ho fiarovana ny zavaboary, ary nahazoany loka fahatelo.

 

Simba ny tontolo, tsy misy mahatsiaro

Ny voron-dia sy biby, ireo hazo mifangaro

Nanafina fitia, tsiambaratelo maro,

Ianao ve tsy sarotiny sy tsy mba saro-piaro ?

 

 Jereo fa misy sompatra mandrava tsy manolo,

Mikapa tsy mamboly, nitevy sy mandoro ;

Jereo fa misy fo tsy antra fa mamono,

Mirohotra mandripaka amin’ny haza sy ny jono !

 

Ianao hisolo vava ny zavamananaina :

Ny biby sy ny tany zary karankaina,

Ny tontolo iainana tsy afa-mitaraina

Marary sy mijaly, jinjaina sy kapaina.

 

Mitsangàna ianao, arovy, ny tontolo iainanao

Mandehàna ka diovy izay kely vitanao,

Mijoroa ka hasoavy mba ho tonga vaovao

Fa mendrika fitiavana izao rehetra izao.

 

Fenosoa M.RAKOTOBE

Madagascar Tribune n° 354 du 17/02/90, tak.8

10:10 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: fenosoa m rakotobe, environnement | Comments (0) |  Facebook | | | |