Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Friday, 21 April 2017

BUREAU DES OBJETS TROUVES

Tsy ny fositra no tsy hambolem-boavahy.
 
Tsara sy deraina ny hevitra sy ny fikasana. Dia tsaroako ity tantara ity. Mba tantaraina fotsiny na dia fantatra aza fa tsy vitsy no toy ity. Ary soa ihany koa fa tena mbola betsaka no tsara sitrapo eto an-tany.
 
Mpamily fiarakaretsaka (taxi) ity lehilahy, matihanina, hatrizay nahazoany permis de conduire.
 
Mitantara ny vady aman-janany : "Raha vao miala ny clients, dia efa andrasan'i dada mihitsy sady irariany mba hisy entana hadino. Ary raha vao misy hadino, tonga izy dia mody fa tsy miasa intsony amin'iny tontolo andro iny.
Raha mety aminay ilay zavatra hadino, dia tsy avoaka intsony.
Raha tsy mety, dia tadiavin'i dada ilay olona, ary mahazo valisoa izy.
Raha zavatra mora fantatra, dia amidinay. Avy eo izahay mankeny Alakamisy (marché aux puces) mividy zavatra solony ho anay ... "

00:15 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: taxi, entana hadino | Comments (0) |  Facebook | | | |