Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Wednesday, 31 October 2018

ALEOKO NAMANA, TENA IZY

-Dadabe ô, ahoana no niainanao taloha tsy nisy :
•teknolojia
•internet
•ordinateur
•drone
•bitcoin
•téléphone finday
•facebook

Dia namaly i dadabe :
-toa anareo ankehitriny ihany, tsy misy
•fiheverana ny maha-olona
•fahamendrehana
•fitserana
•henatra
•haja amam-boninahitra
•fanajana
•hazondamosina
•toetra tsara mampiavaka
•fitiavana
•fanetren-tena

Ankehitriny, izahay antsoinareo hoe "antitra", dia nandray fahasoavana manokana, ary porofon'izany ny fiainanay :

•nandeha bisikileta izahay tsy nila aro-loha

•rehefa avy nianatra, dia izahay ihany no nanao ny asa enti-mody, avy eo miara-milalao eny an-tsaha mandra-pilentiky ny masoandro

•namana tena izy no niara-nilalao taminay fa tsy "namana tsy fantatra" amin'ny internet

•rano teny am-pantsakana no nialanay hetaheta fa tsy rano amidy amin'ny tavoahangy

•tsy nahazo aretina izahay na dia nifandimby kaopy aza

•tsy natavy be noho ny fihinanana mofo sy pâtes izahay

•nandeha tsy nikiraro izahay fa tsy narary tongotra

•izahay ihany no nanamboatra ny kilalaonay

•tsy nanefoefo ny ray sy reninay, fa nanome fitiavana be dia be anay

•tsy nanana téléphones finday izahay, tsy nisy DVD na PlayStation na Xbox na jeux video na ordinateur manokana na internet ... fa nanana namana tena izy

•nalalaka ny fifampiantranoan'ny mpinamana, ary dia faly niara-nihinana mofo sy menaka

•andia tsy manam-paharoa izahay, malala-tsaina, voalohany tamin'izay afaka nihaino ny zanany, ary farany tamin'izay nihaino ny ray aman-dreniny

 

Raha boky izahay, dia voafetra ihany ny isan'ny natonta.

 

Jean Marc KRITTER
Traduction libre.

 

00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: rondro h rakotobe, namana, jean marc kritter, edition limitee | Comments (0) |  Facebook | | | |