Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Tuesday, 08 May 2018

DUEL, RADAMA II, Fizaràna II

Tsy nahafaly ny olona ny fanerena hiala satroka tamin’ny Ramanenjana, izay olona « ambany » sy « mpanompon’olona » ny akamaroany. Ny tahotry Radama II an’ireo Ramanenjana no nahatonga azy namoaka an’izay kabary izay.

Novoriany tao Isoanierana indray àry ny Menamaso sy ny Manamboninahitra lehibe ary ny Andriambaventy. Rabetsarazaka Menamaso dia nanome teny ny Lehiben’ny Mpiambina Andriana mba tsy hanao sapaoritra na iza na iza afa-tsy Radama II irery ihany. Tonga àry Rainivoninahitriniony praiministra sy Rainilaiarivony Commandant-en-Chef, narahin’ny Manamboninahitra maro, fa nojeren’ny miaramila fotsiny. Tezitra tamin’ny Lehiben’ny Mpiambina Rainivoninahitriniony, fa namaly io hoe tenin-dRabetsarazaka Menamaso izany. Ren-dRadama II ny fifamaliana ka namoaka didy izy hoe « Tsy mety raha mifamalivaly foana toy ny olona adala, fa izao no fanaon’ny firenena hendry : raha misy lehilahy mifampanana alahelo dia toy izao no amitany azy : mifamely totohondry izy na mikatroka amin’ny poleta na amin’ny sabatra, ka izay maty dia maty, ary raha samy velona dia mifandray tanana ka samy afa-po amin’izany. Samy lahy, ka ny totohondry avonkona, na ny poleta raisina, na ny sabatra atao an-tanana ; koa izay maty avelao ho faty ; ary raha samy velona dia mifandraisa tanana ka ny fihavanana no atohizo ». Andro alakamisy 7 mai 1863 izay.

Tsy nahafaly ny tandapa ny vahana nomen-dRadama II ny Menamaso, izay sady tia vola rahateo ihany koa anefa ka izay ambony vato ihany no arahany. Ry zareo no mpitsara. Tsy faly ny Ambanilanitra. Arakaraka ny tsindry vola, izay mahalasa misondrotra ambony kokoa, ny mahery omaly dia resy ny ampitso. Tezitra ny Ambanilanitra satria notoroan’ny Menamaso hevitra Radama II mba hanalefaka ny Lalàna sy hampitsahatra ny Faditseranana. Tamin-dRanavalona I, mahatapa-doha ny halatra akoho. Tamin-dRadama II kosa, afa-maina ny mpamono olona. Noho izany, nitombo ny haratsiana eran’Imerina, ka na ny aina na ny harena, izany hoe ny vahoaka sy ny fananany dia tsy nisy voa-antoka. Mba hahazoana manaram-po amin’ny fanaovana ny tsy rariny, dia nadalaina Radama II ho variana tamin’ny koràna  isan’alina, ny dihy sy ny lalao vetaveta, natao  tao amin’ny Trano-Vato teo Ambohimitsimbina. Tsy voasoratry ny penina, hono, izay havetavetana natao tamin’izany !

Notandindomin-doza fatratra ny fiarahamonina noho ilay lalàna mikasika ny duel navoakan-dRadama II. Mbola nihevitra ny Manamboninahitra fa rehefa ripaka ny Menamaso dia hiha-hendry Radama II.

Zoma 8 mai 1863. Amin’ny 10 ora vao mifoha Radama II satria niari-tory nilalao. Tonga hananatra azy ny « olon-dehibe » teo an-tanàna. Nitondra ny teny Rainivoninahitriniony : « Trarantitra ianao tompokolahy, aza marofy, dia mifanantera amin’ny ambanilanitra. Ren’ny Ambanilanitra ny Lalàna vaovao kasainao hatao, izay hahazoan’ny olona mifamely na dia amin’ny poleta sy ny zava-maranitra aza. Koa indreto izahay, tompokolahy, ray aman-dreninao, nametrahan’Andrianampoinimerina sy Ilehidama sy Ranavalomanjaka anao, notanan-dreninao soroka tsy hisorona na hanome vohony anao, avy milelaka ny faladianao mba ajanòny ity lalàna ity, fa hahasimba ny Fanjakana ».

Dia hoy Radama II : « Nataoko tokoa ity lalàna ity, nefa na nataoko aza, raha tsy tianareo ka hatao ahoana ».

Nitehaka ny olona, nihevitra fa nanaiky izy. Fa notohizany ny teniny : « Ehe, tsy hofoanako akory ity lalàna ity, fa izany mihitsy no heveriko hahasoa ny tany sy ny Fanjakana ».

Nandohalika ny praiministra, nilaza fa ny Mpanjaka no raiamandrenin’ny Ambanilanitra, ka izay hampandry fahalemana no tokony hataony fa tsy hampifandringana azy. Dia hoy Rainiketaka, lehiben’ny Menamaso : « Ô ry ingahibe ô, an’iza moa ny Fanjakana, anao sa an-dRadama ? Efa izao no sitrapon’izy tompony ka no mbola toherinao ihany ? ».

Tsy namaly Rainivoninahitriniony fa nikiry hiala nenina tamin-dRadama II. « Trarantitra ianao, aza marofy dia mifanantera amin’ny Ambanilanitra ! Dia ny tenanao Andriamanjaka manko izao no milaza eto anatrehan’ny Ambanilanitra, fa izay te hikatroka amin’ny basy, na ny sabatra, na ny lefona, na inona na inona, dia mahazo manao, ary na mahafaty aza, dia tsy mahameloka ? ».

« Eny, hoy Radama, mahazo manao rehefa misy vavolombelona ».

Dia hoy Rainivoninahitriniony, praiministra : « Aoka àry tompokolahy, fa ianao Andriamanjaka no efa nampanao, ka dia handray fiadiana izahay ».

Lasa ny praiministra sy ny mpanaraka azy. Mbola nisy Manamboninahitra lehibe telo, nijanona niala nenina,  fa tsy laitra Radama II. Niala maina ireo, dia Rainingory, Rainibesa ary Ratsarahoby. Adiny iray no nandresan-dahatra an-dRadama II fa tsy laitra nakisoka. Dia tonga ingahy Laborde. Nilaza izy hoe ny duel dia isan’ny zava-dratsy ao amin’ny tany civilisé, ka tsy mendrika haroso aty Madagasikara.

Nandray vera Radama II ary nampidina champagne, nandrehitra sigara, ary niteny hoe « Avelao hanao izay te hanao. Isika kosa, hamelatra lampihazo eo afovoan’Imahamasina hizahantsika ny fikatrony ».

Dia hoy Laborde tamin-dranomaso : « Izao no lazaiko aminao tompokolahy, ny Manamboninahitra ange izao efa tezitra aminao sady nomenao alalana handray fiadiana. Anikeo koa dia tezitra fatratra ny vahoaka teny Anjomà. Araka izay nitranga tamin’ny Révolution tany France, raha taitra ny Ambanilanitra dia toy ny rano tondraka, ka mamaky fefiloha sy mipaoka izay rehetra sendra azy, na olona na biby na inona na inona. Raiamandreninao aho tompokolahy, sady tia dia tia anao, ka tsy misorona miteny hoe tandremo dia tandremo tsara izay ataonao. Matahotra aho fa raha tsy atao haingana izay hahafaka ny hatezeran’ny ambanilanitra, dia hipoahan’ny fahatezerany isika rehetra, hatramin’ny tenanao, ka hopaohany toy ny rano vaky, hasafotofotony sady hataony maty mihitsy aza. Izao no fara teniko aminao tompokolahy, zava-dehibe loatra izao noresahantsika mianaka izao, fa aza atao toy ny teny sangisangy fananontsika andavanandro sao hanenenanao mafy ». Dia lasa izy rehefa avy nandresy lahatra nandritra ny adiny iray ihany koa.

Notohizan-dRadama II ny fanaony isan’alina. Rainivoninahitriniony sy ny namany kosa, nioko  niketrika tao Andafiavaratra. Ny Menamaso no noheverina hovonoina, nefa heno ihany fa Radama II koa dia efa tao anaty tetik’izy efa-dahy Andafiavaratra (Rainivoninahitriniony, Rainilaiarivony, Rainimaharavo, Rainandriantsilavo). Hovonoina Radama II ary Rabodo vadiny no hampanjakaina hiverenen’ny zon’Andafiavaratra toy ny tamin-dRanavalona I.

Ny alin’ny zoma 8 mai 1863 dia niely eran’Antananarivo ny tsaho fa raikitra ny ady an-trano. Maro no nandositra, nitondra izay zakan’ny tanany.

Ireo heloka nofehezina ho efatra, hamonoana ny menamaso, nokabariana :

1-Mivarotra ny rariny sy ny voninahitra ka izay be vola no ataony mahery amin’ny ady sy asondrony voninahitra

2-Manome fo ny Mpanjaka, hanenjika ny Fivavahana, handrava ny Foloalindahy, hamoana ny fiadiana, hampitsahatra ny Faditseranana, hanatsinontsinona ny mpanao soa, hamoaka lalàna mampanao duel, hanao lalao faran’izay vetaveta indrindra

3-Izay vola rehetra miditra amin’ny Fanjakana dia tanany ho azy

4-Mandroba ny haren’ny ambanilanitra.

 

22:04 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: radama ii, duel | Comments (0) |  Facebook | | | |