Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Wednesday, 06 September 2017

VALEURS UNIVERSELLES

Ny mondial dia iraisan'ny monde tsy misy anavahana.

Ny international dia iraisan'ny nations roa na mihoatra. Bilatéral raha roa, multilatéral raha maro.

Ny universel dia iraisan'ny univers.

Izay no izy raha ny foto-teny sy ny fandrasan-teny. Manahirana be izany raha hitsingolohana ka andeha hatao fotsiny hoe IRAISANA. Misy "fahendrena" na "fahamarinana" iraisana. Tsy nifampiresahana fa itoviana. Tsy nifampierana fa iarahana manaiky.

Vakio manontolo ny bokin'ny Mpitoriteny sy ny Ohabolana fa raha tsy hitsikitsiky ianao dia hihatokatoka. Ohatra hoe "Aza mihainohaino ny teny rehetra tenenina, fandrao handre ny mpanomponao manozona anao hianao" (Mpitoriteny 7:21). "Aza miditra matetika ao an-tranon'' ny namanao, Fandrao tofoka anao izy, ka ho halany hianao" (Ohab.25:17).

Ny frantsay koa tetsy an-daniny, nangala tahaka ny malagasy !!!

A bon vin, point d'enseigne (tsy midera vady mahay mandihy fa ao ny sandriny hilaza azy)

A cœur vaillant, rien d'impossible (tsy misy mafy tsy laitry ny zoto)

A l'œuvre, on connaît l'ouvrier (arakara-tarehy voa-javatra)

Autres temps, autres mœurs (miova Andriana, miova sata)

A vieille mule, frein doré (ny tarehy no ratsy ka ny volo no aolanolana)

Chat échaudé craint l'eau froide (leom-boan'anana omaly ka tsy tia zava-boribory)

Le jeu ne vaut pas la chandelle (tsy mahaleo ny sarany ny vidiny)

Les petits ruisseaux font les grandes rivières (ny erikerika no maha-tondra-drano)

Qui se sent morveux se mouche (raha voateny ny lesoka, misafo ny orony ny petaka)

Tout vient à point à qui sait attendre (izay maharitra vadin'Andriana)


Tohizo.

Fa raha izaho aloha, tsy hikiry hitady dikanteny isaka ny mandeha fa rehefa mifankahazo dia ampy. Rehefa hita amin’ny ankabeazan’ny teny ny fototra hoe univers amin’ny université, dia mamizana ahy ny anjerimanontolonareo ...

00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: dictons universels | Comments (0) |  Facebook | | | |