Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Wednesday, 27 December 2017

TSY MISY MAHASOLO NY PAOSITRA

Misy tononkira anankiray izay, milaza hoe « izaho sy ianao dia iray tanàna ary indrindra koa moa fa iray lycée ». Niray kolejy isika nandritra ny taona vitsivitsy, dia mpinamana tsy nifankafoy. Nalazalaza ny fanaovana angon-javatra toy ny hajia, sady fahafinaretantsika rahateo ny mandray taratasy tonga tamin’ny Paositra. Na mifankahita isan’andro any an-tsekoly aza, dia mifandefa taratasy isika, ary miaraka mandatsaka azy any amin’ny biraon’ny paositra mihitsy. Nalaintsika fanahy ny mpiasan’ny paositra, nofandrihantsika, fa tsy nisy nipika ny afera kelintsika. Fanaontsika ihany koa fa tsy atao matetika sao tratra, ny manao « retour à l’envoyeur », dia tsy mividy hajia vaovao. Izany no toetra ! Izany no tsikombakomba sy firaisam-petsapetsa natao ! Tsy nisy tapaka ny resaka na dia nandritra ny fahazoana andro tsy nianarana aza, satria teo ny Paositra. Karazana valopy, cartes postales, papiers à lettres, sy ny sisa … Namatotra antsika ireny rehetra ireny. Ny vaninandro sy vanimpotoana na inona na inona, dia nohararaotina nifandefasana taratasy. Asa ianao izay, fa izaho tsy mbola afaka tamin’izany.

Dia mahatsiaro anao aho androany satria fitsingerenan’ny andro nahaterahanao !

Efa ela no tsy nampiasa ny Paositra intsony isika hatrizay niroboroboan’ny fomba fifandraisana vaovao izay. Tambazotra hafa indray no nifaneraserana. Tsy taratasy nosoratana an-tanana intsony ary na izaho aza efa mila tsy hahay mitana penina. Dia nanamboaboatra sarisary sy soratsoratra teny, naka sanganasan’olona noheverina fa mba tsara hifampizaràna, namorona koa mazàna. Asa ianao, fa izay nalefako, dia tena avy amiko na dia nindramiko aza. Toy ny taloha ihany, izay nomeko dia vokatry ny foko tokoa.

Indray andro, raha mba niarahaba anao noho ny fahatsiarovana anankiray aho, dia novalianao tamim-pangatsiahana fa tsy mampihetsi-po anao ny fihetsiko satria Zavatra sy Teny fandefako sy fanaon’ny rehetra etsy sy eroa, fa tsy ho anao irery !

Dia voaraiko tokoa ny hafatra, rahavako. Ianao ihany no milaza fa marani-tsaina aho.

Tsy mbola niova ny adiresiko fantatry ny Paositra raha toa noheverinao fa ny sora-tanana ihany no tsy ifanasahana amin’ny besinimaro. Soa ihany fa efa nihalavitra isan’andro ny elanelantsika, nifanalavitra isan-taona ny fijerintsika. Soa ihany fa tsy misy mahasolo ny Paositra tokoa ka hikirizako hanohy fihavanana aminao.

Na izany aza, mbola tadidiko ihany fa fitsingerenan’ny andro nahaterahanao androany. Mahatsiaro fotsiny aho, aza matahotra, fa tsy hanelingelina anao amin’ny firarian-tsoa piliavavako intsony, izay tsy ilainao rahateo.

00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: cadeau spécial, cadeau personnalisé | Comments (0) |  Facebook | | | |