Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Sunday, 10 March 2019

CLASSE AFFAIRES, AFFAIRE CLASSEE

Izany fitoviana izany dia tsy misy ary tsy hisy mihitsy.
 
Ny vokatra amidy dia misy ny 1er choix. Any amin’ny hopitaly dia misy ny 1ère catégorie. Any amin’ny hotely dia misy ny 5 étoiles. Any amin’ny fampisehoana dia misy ny places réservées. Any amin’ny fitaterana dia misy ny classe affaires. Any amin’ny lanonana dia misy ny VIP. Any amin’ny services dia misy ny premium … Tsy latsak’izany ny any am-ponja. Tsy ny heloka loatra no misy kely sy lehibe, fa ny olona mihitsy no misy karazany.
 
Sarahana, hono, sao mikaon-doha ka mahavanon-doza misimisy kokoa. Dia nomena toerana voatokana. Hay moa ahafahana mikaon-doha any am-ponja ? Dia inona avy izany no tetikasa sy tetikady efa voaketrika tany talohan’ny volana mars 2019 ?
 
Atokana, hono, sao mamindra haratsiana. Dia ahoana izany ireo olona tazonina vonjimaika ambongadiny any nefa tsy mbola « voaheloka », mifangaro amin’ny « meloka ». Dia ahoana ireo zaza lahy sy vavy tsy ampy taona mbola kely heloka, mifangaro amin’ny olon-dehibe efa rotiky ny balan’ny fananarana sy mandrora giran’ny raiben-keloka. Dia ahoana ireo zaza am-bohoka tsy manan-keloka, miara-migadra amin-dreniny vontom-pahotana, hotezaina any am-ponja.
 
Araka izany, mora mifindra ny HARATSIAN’ireo olona rehetra mifonja, na inona na inona tantara nahatonga azy tany. Tsy mahaleo an’izany kosa ny « HATSARANA » ananan’ireo olona tsy voakasi-pahotana nihofana sy nanokan-tena sy voatendry hiambina gadra.
 
Fa angaha moa tsy hoe toerana fanarenana sy fiarenana izy ireny. Dia iza izany no tsy mahavita ny asany ? Sa inona indray no tsy ampy ? Ny karama ?

15:15 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: box privé, claudine razaimamonjy | Comments (0) |  Facebook | | | |