Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Wednesday, 06 March 2019

A LA PAZ

Ny Malagasy dia tsy mba mionona amin’ny maha-izy azy ankehitriny, fa milofo mafy hitady « fiaviana ».
 
Arakaraka ny tombontsoa sy ny vanim-potoana io. Indraindray Vazimba efa teo, indraindray mandà mafy tsy ho afrikana, matetika aziatika, ny sasany moa dia arabo, ary lamaody izao ny hoe jiosy. Fa tsy mbola nahare aho hoe latino-amerikana. Gaga be aho manko ny amin’ny fitoviana maromaro amin’ny gasy sy ny boliviana. Zanatany espagnol anefa ry zareo taloha.
 
1-Ny tanàna : raha tampenana ny maso mandritra ny dia, ka asaina mamantatra hoe aiza ianao ? Dia toy ny eny amin’ny 67ha : ny endriky ny trano, ny lamba mihahy eran’ny lavarangana sy ny varavarankely, ny mpivarotra eran’ny sisin-dalana, …
 
2-Ny lamba : manenona ry zareo, toy ireny any Imamo ireny. Na tsy landy aza fa amin’ny volon’ny lama, ny sorany dia toy ireny any Androy ireny. Manao faham-borodamba izy, ary ny fivarotana azy dia toy ny mahita ireny eny Ambohimandroso RN7 ireny. Ireo saribakoly vorodamba dia toy ireny fanaon’ny gasy ireny.
 
3-Mibaby zaza ry zareo, ary tsy afatotra eo ambany nono toy ny fanaon’ny afrikana ny lamba ibabena ny zaza, fa manarona ny soroka toy ny anivon-tanin’i Madagasikara.
 
4-Manao kitoza ry zareo, atao kitoza avokoa ny hena ho fitahirizana azy, saingy tsy ataony lavalava fa fisapisahana. Henan’ny lama no tena betsaka.
 
Ny fombafomba sy fahazarana madinidinika andavanandro dia tena tsy maha-vahiny, ny sakafo sy fomba fisakafo. Saosy voanjo no manavanana azy ihinanana tonon-kena fa tsy moutarde na zavatra hafa. Fon-kena no tena atonony. Ny somary hafa dia ny fomba fahandrony vary : asiany sira na voanio eo am-pahandroana azy ka mohaka izaitsizy. Ny kaopy kely fisotroana kafe amoron-dalana dia toy ny eny Besarety.
Raha avy lavitra no mahatazana azy manetsa, dia toy ireny any amoron’i Mania ireny … Mitsoka sodina ihany koa izy (flûte de pan) toy ireny ataon’i Leo Rojas ireny.
 
Handeha mba hamorona sekta aho dia hivoy hoe avy aty Madagasikara ny boliviana

14:30 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: la paz, bolivie | Comments (0) |  Facebook | | | |