Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Sunday, 23 July 2017

FANAVAKAVAHAM-BOLON-DAMBA

Variana ihany aho. Rehefa miantrano any aman'olona, na akaiky ahy toy inona, fady ahy sady tsy ao an-tsaiko rahateo ny hanao fanamarihana*, na tsara na ratsy, amin'izay hitako. Raha tsy hoe anontaniana ny hevitro. Ary rehefa manontany ny hevitro, dia vonona sy sahy hihaino izay lazaiko tokoa.

Fa hoy ity olona nivahiny tao aminay : "andray, mampatahotra be koa ity servietanareo! Fa maninona no atao fotsy be toy ireny?"

Koa satria tsy nijanona ho fanamarihana (remarque) ilay izy, na dia niendrika fanakianana (critique) aza, fa narahana fanontaniana, dia izao no valiny omeko ny rehetra : "eny tompoko. Fotsy avokoa ny rindrinay na holazainareo fa hopitaly. Fotsy ny lambam-baravarana. Fotsy ny ankamaroan'ny lambam-pandriana. Fotsy ny lamban-databatra. Fotsy ny lamba famaohana (serviettes). Satria tsy mety aminay ilay foto-kevitra hoe TSY HITAN-DOTO". Aleo hiharihary ny loto mba hahafahana manadio azy.
Hainareo ve ilay blague ? Pourquoi lave-t-on les serviettes alors que l’on est censé être propre en s’essuyant? Fa maninona no sasàna ny servieta nefa olona nadio avy nisasa ianao matoa nifafa taminy ?

*Fanamarihana (remarque)
*Fanamarinana (vérification)

18:31 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: blanc, fotsy | Comments (0) |  Facebook | | | |