Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Saturday, 27 February 2016

28 FEVRIER 1897

Ny alin'ny 27 février 1897 no nosamborina Razafindrahety, na RANAVALONA III, ka nomena adiny efatra namehezana ny entan-keliny.
 
Tsy nomena fotoana izy hanaovany veloma ny havany akaiky sy ny vahoakany.
 
Ny 28 février 1897 no namoahan'ny fanjakana frantsay ny didim-pitondrana manafoana ny Fanjakan'Andriana (Fanjakan'i Madagasikara) tany Imerina ary nampandefa an-dRanavalona III hatao sesitany tany La Réunion, mialohan'ny handefasana azy hankany Algérie.
 
Ny 27 janvier 1897 dia efa nanome baiko ho an'ireo vazaha rehetra nanorim-ponenana tany anindrana i Galliéni, araka izao teniny izao :"il faut expulser de ces régions l'ancienne race dominatrice, les Hovas! (Merina)".
 
Dia nisy tohiny azo anoratana Roman mahafinaritra kosa aloha io sesitany io ...
Niaina "tsara" tokoa Razafindrahety tany an-tsesitany. Nahazo "indemnités", nanao fizahan-tany sy shopping tany Paris, Marseille, Bordeaux, ... Nibory volo ary nanambady vazaha.
 
Ny boaty biscuits LU, Petit Beurre, dia nisy sarin-dRanavalona III sy soniany. Boaty vy fotsy izy io.

15:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: ranavalona iii, biscuits lu | Comments (0) |  Facebook | | | |