Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Tuesday, 04 July 2017

AU PAYS DU MORAMORA ET DU MALEMILEMY

Inona no andikàna ny hoe "absurde" ?
 
Fa dia betsaka ity toe-javatra tsy takatry ny fanazavana. Izany hoe maizina.
 
Hoy ilay Compagnie d'assurances teto Madagasikara : "tena be loatra ny risques ka tsy manao an'io izahay".
 
Assurance-voyage ilay izy. Tsy nanao ilay Trano Fiantohana satria tsy afaka hiantoka toe-javatra tsy azo antoka! Dia Compagnie d'assurances tany Europe no nanaiky "niantoka" olona gasy monina aty Madagasikara, handeha hivahiny any aminy !!! Dia inona izany no iantohan'ilay Trano Fiantohana? Izay tsisy (na kely) risques. Tany malemy no anorenam-pangady.
 
Dia hoy koa ireo "mpitandro filaminana" eto Madagasikara : aza mandeha alina irery eny amin'ny lalam-pirenena fa miandrasa caravane fa masiaka ny mpisakan-dalana. Zone rouge aty. Fa hanao inona izany ry zareo no ho ny olona indray no asaina mandray fepetra hitandremana ny ainy? Fa maninona no avelany ho rouge lalandava ny zone? Miaraka misitrika miaro tena daholo izany, saingy ry zareo manao fanamiana. Raha izao no hisy fanafihana avy any ivelany, dia tsy ho hitan'ireo na ny toeran'ny basiny aza ary hanao zumba hanangan-tanana sy handohalika eo anoloan'ny fahavalo ny Tafika Malagasy! Satria tsy zatra miatrika fa miara-misitrika amin'ny olona tsy miaramila.
 
Toraka izany. Milaza fa mandre siosion-drotaka foana isaka izay hoe hisy fitangoronana. Dia tsy manetsika ankihikely hanadihady sy hisoroka sy hiaro, fa miverina amin'ny teny nomena, tsy menatra akory milaza hoe "aoka ihany fa sao maninomaninona eo satria izahay tsy afaka hiaro anareo". Mbola ry mpitandro filaminana ihany io. Moa va tsy foto-boasary : lefona arivo fa tsy maha-aro vady aman-janaka. Sady efa tsy maha-aro tena rahateo.
 
Tokony hovaina ilay filamatra hoe "Tanindrazana sy Lalàna", sy "Ho an'ny Tanindrazana". Satria ny tena ahitana an-dry zareo dia eny amin'ny lalana sy eny amin'ny seho an-tsehatra.
 
"PR sy massage" ary "Ho an'ny spectacles".

07:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: zero risque, assurance zero risque, marins d'eau douce | Comments (0) |  Facebook | | | |