Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Tuesday, 17 October 2017

MBOLA PESTA IHANY

Nataoko foana ihany ny tsy hiteny fa tonga eto amin'ny fara tampony ny hakiviako. Tampina ny daomy hoy ny zatovo. Mba tsy hadinina amiko ny fahavoazan'izay ho voa, ary izahay mianakavy koa tsy ho afa-bela amin'ny havendranana sy hamafisan-dohan'ny hafa!

Efa fantatra ihany ny fari-pahatakarana sy ny fiaraha-mirona sy ny tanjaky ny avo feo eto amin'ity fiarahamonina ity. Tsy mpampianatra na iza na iza aho, tsy manana fahaizana hampitaina ihany koa, tsy hahavita hanentsina ny banga amin'izay tsy ampy rehetra any ho any, ary tsy mihevitra hahatody lavitra ankoatra ny olona tena vitsy manodidina ahy.

Tena mihoatry ny tampon-dohako ny hakiviana rehefa nasehon'ny valan'aretina pesta ny finiavan'ny maro hitokona ao anaty tsy-fahalalana.

Tena mihoatry ny takatry ny saiko ny fahenoana mpikirakira vaovao milaza ho "mpamakafaka", mivaona tanteraka amin'ny fahazoan-javatra sy fanehoan-kevitra.

Efa betsaka ny resaka. Zavatra roa ihany no holazaiko.

1-ny mikraoba faran'izay masiaka dia velona sy mitombo ary mahazo tanjaka amin'ny toerana tsy misy oxygène (germe anaérobie), mando, mihiboka, maizina. Mahafeno an'izany fepetra izany ny fasana. Vao miala ny aina dia miroso amin'ny fahalovana ny vatana. Ny razana ao am-pasana dia lo. Miala tsiny fa toy ny zezika. Aoka tsy ho lavina fa lo io na dia izay olona tiana indrindra aza. Ny olombelona rehetra mandehandeha io dia samy miompy otrikaretina daholo. Ao anaty vava fotsiny dia misy mikraoba maro dia maro. Mainka fa raha maty noho ny pesta ny olona iray, dia hitondra masombolin'ny pesta haotrika ao am-pasana. Nefa dia betsaka ny tia mikirakira faty. Aza atao hoe tiana horarana ny famadihana. Tsy kolontsain'ny fianakaviako ny famadihana fa manaja an'izay soatoavin'ny hafa aho. Aza atao hoe tiana hasaina doroina ny razana. Fa hevero ny loza mitatao amin'ny velona.

2-namaky boky hono ilay olona dia nahita fa matin'ny masoandro ny otrikaretin'ny pesta, ka inona hono no tsy ahavitana miady aminy fa be masoandro i Madagasikara. Misy ambadika politika hono io. Eny tompoko, mety ho fatin'ny masoandro ny mikraoba sasany. Saingy ilay yersinia pestis tsy ao anaty kapoaka ka hoe havelatra amin'ny sahafa hatapy andro eny an-tampon'Ihorombe. Any anaty havokavok'olona ilay mikraoba ankehitriny ka ahoana no hatao ...

Tsara ny mandalim-pahaizana fa aoka tsy horaisina an-tendrony rehefa tsy hay manontolo, ary samy mba tokony hametra tena ihany na eo aza ny fahafahana miteny.

"Ho an'ny mpiara-belona"

00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: peste, journaleux, animateur radio | Comments (0) |  Facebook | | | |