Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Friday, 03 May 2019

ANDRIANAMPOINIMERINA

Résultat de recherche d'images pour "tissu rouge royal merina"

Anjozorobe dia tsy anisan’ny Fanjakana Merina. Andriamiharamanjaka no Mpanjakany.

Andriambelomasina kosa, dia Mpanjakan’Ambohimanga, merina. Nanana zanaka am-polony maro Andriambelomasina, fa akaikin’ny fony kokoa ny lahimatoa Andrianjafy, sy ny vavimatoa Ranavalonandriambelomasina.

Fanjakana nifanila Anjozorobe sy Ambohimanga, ka mba hitandroana ny filaminana amin’ny fanjakana roa tonta, sy mba hiatrehana ny ady amin’ny fanjakan’Imerinatsimo sy Ambohidratrimo, dia nomen’Andriambelomasina ho vadin’Andriamiharamanjaka, Ranavalonandriambelomasina zanany vavimatoa. Efa nanana vadibe Andriamiharamanjaka, ka dia vadikely izany Ranavalonandriambelomasina.

Nanaraka an’Andriamiharamanjaka tany Anjozorobe Ranavalonandriambelomasina. Nitoe-jaza izy ary nony akaiky andro hahavelomana, dia niainga hiteraka teny amin’ny ray aman-dreniny teny Ambohimanga. Teo Ikaloy anefa, tsy mbola tafavoaky ny faritry ny fanjakan’Anjozorobe, dia teraka izy. Teraka an-dalana teo Imboasalama Razaka. Io no Andrianampoinimerina, manila Anjozorobe avy amin’ny rainy, ary merina avy amin’ny reniny. Nolazaina fa “tsy merina madio” izy ka izany no nakàny ny anarana hoe Andrianampoinimerina, mba hilazana fa am-pon’ny merina izy na dia tsy merina tanteraka aza. Nantsoina hoe Ilahifotsy ihany koa Andrianampoinimerina. Ny Ombalahibemaso ihany koa tao afara.

Andriamiharamanjaka rainy koa anefa, dia taranaky ny Andriamamilaza sy Andriandoriamanjaka, samy tarana-dRabiby, avy eo Ambohidrabiby, no niverina nankany Anjozorobe.

Nanjaka nandimby an’Andriambelomasina rainy teo Ambohimanga Andrianjafy, izay nihevitra fa tsy niteraka. Nalainy àry Andrianampoinimerina, zanak’anabaviny, izay kamboty reny mbola kely, hitoetra eny aminy teny Ambohimanga. Nankininy tamin’ireo loholona teo Ambohimanga ny fitaizana azy. Araka ny hafatr’Andriambelomasina moa, aorian’Andrianjafy zanany lahimatoa, dia Ilahifotsy zafiny avy amin’ny zanany vavimatoa no mandimby azy.

Niteraka ihany anefa Andrianjafy, niteraka an-dRalaitokana. Novoriany ny vahoaka ary nilazany indray fa Ralaitokana no handimby azy fa tsy Ilahifotsy. Tsy faly ireo loholon’Ambohimanga izay efa niandrandra an’Andrianampoinimerina. Io rahateo koa niady mafy mba hahazo fanjakana.

Nony tsy teo Ambohimanga àry Andrianjafy, dia nohararaotin’ireo loholona ny nanandratra ho Mpanjaka an’Andrianampoinimerina. Naniraka nankeny Ambohidrabiby izy handresy lahatra ny teny sy ireo vohitra manodidina mba homba azy sy haka lamba jaky tenomin’Andriandoriamanjaka, hotafiany amin’ny fanandratana azy. Ho takalon’izany dia tsy nanaiky Ambohidrabiby raha tsy natao Menabe sy Tsialaimbodihena.

Vao tafiditra teo Ambohimanga ireo iraka dia nasain’ny loholon’Ambohimanga nohidiana ny vavahady ary natafin’izy ireo an’Andrianampoinimerina ny jaky sady napetrak’izy ireo miaraka amin’ny mpanotrona maro teo Ambatomiatendro Andrianampoinimerina. Natao fararano ny fanapoahana basy sy dobok’aponga sy sodina.

Teny an-dalana hody ho any Ambohimanga Andrianjafy no nilazana fa efa natsangan’Ambohimanga ho mpanjaka Andrianampoinimerina. Tsy nino izy fa niroso hatrany ny diany ka afaka an’Ambohitrandriamanjaka izy no nahatazana an’Andrianampoinimerina eroa Ambatomiatendro miavaka amin’ny jaky notafiany izay mbola mazava loko tsara satria vaovao.

Fantatr’Andrianjafy fa efa lasan’Andrianampoinimerina Ambohimanga sy Ambohidrabiby. Nitodi-doha nankeny amin’ny lafin-kavany eny Ilafy Andrianjafy sady nanozona an’Ambohimanga.

Dia azoko sary an-tsaina ny endrika fanonganam-panjakana sy ny fanandratan-tena (autoproclamation) mba hitako teto amin’ny fiainako, taonjato vitsivitsy tato aoriana …

00:15 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: andrianampoinimerina, putsch, autoproclamation | Comments (0) |  Facebook | | | |