Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Thursday, 15 February 2018

ANDRIAMASINAVALONA

Nanjaka teto Imerina nanomboka tamin'ny 1675 hatramin'ny 1710.

Zanaka lahiaivon'Andriantsimitoviaminandriandehibe. Razakanavalondambo, na Andrianjakanavalondambo, no anarany fony tsy mbola nanjaka. Nandimby ny rainy.

Mpanjaka telo lehibe no teraka tsinan'Alahamady ka nahatonga an'izany ho andron'Andriana nanaovana ny Fandroana tany am-boalohany (Ralambo, Andriamasinavalona, Andrianampoinimerina).

Misy adihevitra mikasika ny reniny. Ny voatana dia hoe samy zanaky Rampananamboninitany tamin'Andriantsimitoviaminandriandehibe izy sy ny zokiny Razakatsitakatrandriana.

Ny maro mpanaiky koa dia ny hoe teraka teto Antananarivo Andriamasinavalona. Tamin'izy mbola zanakandriana tsy nanjaka dia nonina teny #Alasora.

Nanangana tsangambato avo be eo avaratr'Alasora izy, izay fantatra ho tsangambato avo voalohany indrindra teto Imerina.

Ao atsinanan' #Ambohitrandriananahary ao atsinanan'Alasora dia misy atao hoe #Antangirika (na Andriambato). Nasiany tangirika ny ony dia nanaovany lakandrano hitarika ny rano ho amin'ny tany lemaka, ka dia tonga tanimbary be midadasika.

Razakatsitakatrandriana zokiny no nanjaka, fotoana fohy talohany. Ratsy fitondra vahoaka io ka hoy Andriamampandry mpanolo-tsaina hoe tokony haongana.

Navoaka tao Anatirova Razakatsitakatrandriana, nafindra teny Ambohimanoro mandra-pandefa azy sesitany tany Vohilena (na tany Ambohimanoa hoy ny sasany). Nalaina avy teny Alasora kosa Andrianjakanavalondambo ary nandray ny anarana Andriamasinavalona.

Maromaro no zava-bitany fa singanina ireto :

1-Nanarina ny lohalo teo Andohako nataony fikabariana. Nasiany vatomasina ho fihasinan'ny mpanjaka teo.

2-Nanamboatra ny fefilohan'Ikopa hanitarana ny tanimbary satria nisy mosary

3-Nanorina ny Lapa Besakana ka nila olona hovonoina hatao sorona. Nandositra daholo ny olona afa-tsy #Itrimofoloalina avy eny Anosizato izay nanolo-tena. Tsy novonoina akory anefa io fa nandidiana fotsiny ny sofiny ary nosoloina akoholahy sy rano-na hodi-nato. Noheverina ho nitsangan-ko velona tokoa Itrimofoloalina ka nomena tombontsoa ho #tsimatimanota_amin'ny_zavatr'Andriana.

4-Ralambo (nanjaka 1575-1610) no voalohany nanao ny ambaratongan'Andriana efatra : -Andriantompokoindrindra -Andrianamboninolona -Andriandranando -Zanadralambo

Dia notaingenan'Andriamasinavalona ny azy. Nataony kilasin'ny Andriamasinavalona ireo zanany sy zanaky ny iray tampo aminy tsy mba nanjaka fa nataony andriantompombodivona (menakely).

Andrianampoinimerina kosa nanataingina kilasy roa teo ambony : -Zanakandriana -Zazamarolahy

Izany no nahatonga ny andriana hisy kilasy fito.

5-Ny solom-bodiondry dia lamba no natolotra tamin'ny andron'Andriamanelo. Tamin'ny andron-dRalambo dia vodihena ho an'ny Andriana, vodiakoho ho an'ny ray aman-dreny ary vodiondry ho an'ny rafozana. Tamin'Andriamasinavalona naka an'Andriantompoindraondriana(zanaky Rafanompombahoaka, andriandranando) dia ny farihy sy tanimbary eo Ambodiakondro no nomeny.

6-Nampitombo voninahitra ny Fandroana

7-Nandamina sy nanavaka ny Zon'ny andriana : tsy mihady tanimena, tsy manao hazolava, tsy mitondra entan'Andriana, tsy alatsa-dra. Ilaidama koa nanampy hoe tsy miambina, tsy gadraina vy.

8-Izy no nanao ny elo mena ho mari-piandrianan'ny Mpanjaka

9-Teo Tanjonandriana andrefan'Ambohimanambola dia nisy nahitsiny ny ranon'Ikopa, eo amin'ny tanàna kely atao hoe Mahitsy [Ndlr, anatin'ny Commune Alasora, eo amin'ny faritra misy ny Trano fandraisam-bahiny #Le_Hintsy].

10-Nanambatra an'Imerina efa-toko ho fanjakana tokana (Avaradrano, Marovatana, Vakinisisaony, Ambodirano).

11-Nanao ny Roambinifolovavy (vady politika) hamoriana fanjakana : -Ratompoindraondriana -Ramananandrianjaka -Ramananimerina -Ranavalontsitatrimerina

-Renilambo -Ranavalona -Rakalafotsy -Renikotofananina

-Ralaniboahangy -Raseranolona -Ranavalontompoinimerina -Ramanambahoaka

12-Namaritra an'#Imamo sy Imerina : nifanaiky hifampizara Andriamasinavalona sy #Andriambahoakafovoanitany (Andriambahoaka II) mpanjakan'Imamo nitoetra tao #Ambohiniazy. Nifanaraka izy ireo samy hiainga maraina handeha an-tongotra ka izay toerana hifanenana no faritra fizaràm-panjakana. Fa nivadi-panekena Andriambahoaka voarokirokin'ny mpanotrona azy, ka vao tapi-mandry olona dia niainga! Teo amoron'ny renirano Iombifotsy izy roa lahy no nifanena.

13-Nanao hadisoana lehibe Andriamasinavalona tamin'ny nizaràny indray ny fanjakan'Imerina, na teo aza ny anatr'Andriamampandry. Samy nampanjakainy ireo zanany efatra : -Andriantsimitoviaminandriandrazaka teo Ambohimanga -Andriantompoinimerina I teo Ambohidratrimo -Andrianjakanavalomandimby teo Antananarivo -Andrianavalonimerina teo Ambohidrabiby.

Niady an-trano indray Imerina ka tsy tafatambatra raha tsy tamin'ny andron'Andrianampoinimerina (1787-1810).

Niamboho tao amin'ny lapany tao Besakana Andriamasinavalona rehefa voky andro sy nanjaka ela. Ny tranomasina laharana faha-efatra avy atsimo, ao amin'ny Tranofitomiandalana no nanafenana azy.

 

in Firaketana

 

 

16:55 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: andriamasinavalona | Comments (0) |  Facebook | | | |