Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Monday, 15 August 2016

ANDRIAMANELO

Eo amin-dRafohy (vehivavy) no iantombohan'ny tena mpanjaka ambaniandro voalohany teto Imerina, fa mpanjaka Vazimba no teo alohany. Misy milaza fa Vazimba ihany koa Rafohy. Rafohy niteraka an-dRangitamanjakatrimovavy (vehivavy). Rangita niteraka an'Andriamanelo sy Andriamananitany.

Rafohy sy Rangita dia nanao an'Imerimanjaka ho renivohi-panjakany.

Andriamanelo, izay mpanjaka lehilahy voalohany no tena namindra ny renivohiny ho eo #Alasora. Tsy fantatra marina na teraka teo Imerimanjaka na tao Alasora i Andriamanelo.

Ny nampalaza azy dia tamin'ny androny no nahitana ny fihadiana sy fandrendrehana ary fanefena ny vy ho fiadiana sy fiasana, noho ny fifankahazoany tamin'ireo loholon'i #Moronkay.

Lefona vy, tsipìka vy, famaky vy no naharesy sy nampandositra ny Vazimba ka nilazany hoe "Manao vy manidina Andriamanelo". Toy izany koa ny angady vy izay nampandrosoany ny fambolena izay tiany fatratra.

Nanao tanimbary lehibe teo avaratr'Alasora izy sy saha izay nomeny anarana hoe Manohisoa.

Be voninahitra ny famorana tamin'ny androny, ka ny rano anaovana hasoavana, izay atao hoe "ranomasina" dia alaina avy eo amin'ny farihy Andranomiry ao ambany avaratr'Alasora.

Tamin'ny androny no niantombohan'ny fanefena vilanitany ho tena raharaha lehibe.

Andriamanelo no voalaza ho nanao didy fa ny aviavy sy ny amontana dia hazon'Andriana ka tsy azo ambolena afa-tsy eo amin'ny tanànany ihany.

Izy koa no nanavaka ny fiarahabana ny andriana manao hoe "Tsara va tompoko".

Ny fanaovana lakana dia voalaza ho tamin'ny androny koa. Nefa Rafohy renibeny sy Rangita reniny dia efa nilevina tamin'ny lakana roa nifanarona. Angamba fanatsarana tamin'ny asa vy no nataony.

Izy no nanao didy voalohany fa ny andriana ihany no mahazo milevina ao anaty tanàna faritan'ny hadivory.

Naka vady an-dRandapavola vavitokan-dRabiby (mpanjakan'Ambohidrabiby), andriana avy any Ikaloy izy. Natao hoe Ramaitsoanala ihany koa io zanak'andriana avy any an'ala atsinanana io. Niteraka in'enina teo Alasora Randapavola fa tsy nahazo zaza mihitsy. Nolazain'ny mpisikidy fa eo avaratr'Andranomiry izy no tokony hifana rehefa miteraka amin'izao. Narahiny izany ka teo Ambohiboaladina izy no niteraka ny zanany fahafito tamin'ny tsinan'ny Alahamady.

Nisy lambo nandalo hono teo ka natao hoe Ralambo ny anaran'ity zaza vao teraka, ary Randapavola reniny dia niova anarana ho Rasolobe.

Misy milaza fa tao Betsizaraina no teraka Ralambo ary teo Ankadindambo no nandalo ilay lambo nifanenjehana. Ao Alasora koa anefa misy toerana atao hoe Dialambo!

Io sikidy tamin'ny niterahan'Andriamanelo an-dRalambo io, izay nataon-d#Ranokombe (na #Ranakombe) no voalaza ho sikidy voalohany teto Imerina.

Tamin'ny andron'Andriamanelo no nanaovana vatomasina voalohany, fefiloha ary kianja fikabariana.

Miafina eo Alasora Andriamanelo, eo amin'ny Asorotany ivelan'ny Rova.

Ralambo zanany no nandimby an'Andriamanelo. Nataony tanàna faharoa Alasora fa Ambohidrabiby no nasandrany ho sangan'ny fanjakany. Ambohidrabiby no natao hoe Ihasin'Imerina.

Zanak'anabavin-dRabiby ihany ilay andriambavy atao hoe Rabehavina, na Rafotsimarohavina, na ihany koa Ratompokoamandrainy, isan'ny vadin-dRalambo, ka niterahany an'Andriantompokoindrindra.

Andriamananitany zandrin'Andriamanelo kosa nanambady an-dRandranomboahangy ary niteraka an'Andrianamboninolona teo Ambohitrandriananahary, izay tonga razan'ny Andrianamboninolona teny Ambohitrombihavana.

Ao Anatirova, amin'ny zorony atsimo andrefana ny fasan-dRabehavina vadin-dRalambo. Ny avaratr'io no fasan-dRalambo. Ny avaratr'izay no fasan-dRabiby.

(...)

00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: andriamanelo, alasora | Comments (0) |  Facebook | | | |