Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Saturday, 11 November 2017

RAHA MATY RABOBALAHY

Izany no hira fanarabiana atao amin’ny taranaky Rabobalahy. Izao no tonony : “Raha maty Rabobalahy, nalevina Ambodisaha, napotsaka ny tsinainy, nataon’ialahy saosisy”. Tsy nanaiky nilavo lefona tamin’ny vazaha mpanjanaka Rabobalahy ka notriariny ny kibony dia nalentiny tao ny sainan’i Madagasikara. Izay raha tsorina.
 
Tetiarana kely ity manaraka ity fa misampantsampana maro ny tantara avy eo amin’Ilaidama sy Rasalimo ray aman-dreniny.
 
Ny Mpanjaka Ramitraho dia taranaky ny mpanorina ny Fanjakana Sakalava : Andriamandazoala avy ao Fiherenana, Andriamisara avy ao Menabe ary Andriamandisoarivo avy ao Boina. Ramitraho dia zanak’i Mikala Andriantsoanarivo sy Rabodo avy ao Mahabo.
 
Ny vadiny, atao hoe Ramisononaka, izay anabavin’Andriandahimalemy dia zafinjafin’Andriandranando. Ratsivinda, reniben-dRamisononaka dia avy ao Alasora, zana-jafin’Andriamasinavalona. Nomen’Andriambelomasina, raiben’Andrianampoinimerina ho vadin’ny printsy sakalava Ramitraho izy mba ho antoky ny fanekem-pihavanana amin’ny foko roa tonta sy hampiray ho firenena iray ny manerana ny nosy.
Ramitraho sy Ramisononaka dia niteraka mirahavavy natao hoe Rasalimo sy Renasa.
 
Araka ny « fandraka » (soratra) nataon’Andriamahazonoro, mpanolo-tsaina Antemoro an’Andrianampoinimerina sy Radama I, dia nanolo-tena ho vadin-dRadama I Rasalimo, mba hamaranana hatreo ny disadisa teo amin’ny Fanjakana Merina sy Sakalava. Nanana taranaka izy ireo, izay tsy navela hanjaka mihitsy tao Antananarivo. Itsimandriambovoka, izay nampamonoina mbola kely, Raketaka Razafinimanjaka ary Rabobalahy.
 
Nirian-dRadama I handimby azy Rakotobe zanaky Rabodosahondra anabaviny, ka (saika) nampanambadiany azy i Ketaka zanany vavy. Tsy faly tamin’izany Rabodonandrianampoinimerina (Imavo, na Ranavalona I) izay tia fanjakana ka nampamono niaraka tamin’ireo mpitsikombakomba taminy an’izay havana akaiky an-dRadama I rehetra, anisan’izany Rakotobe. Ramanetaka goverinora tao Mahajanga ihany no tafaporitsaka nankany Anjouan ary lasa Sultan tany. Nampandosirina kosa Iketaka Razafinimanjaka, ary voalaza fa milevina any Fianarantsoa. Ny tantara sasany dia milaza fa izy no reny niteraka an-dRazafindrahety rehefa niova anarana ho Razafinandriamanitra II ka nanambady an’Andriantsimianatra avy any Moronkay.
 
Rabobalahy dia nonina tao amin’ny saha misari-nosy misy loharano teny afovoan-tanimbary teny Anosipatrana, natao hoe Ambodisaha. Tamin’ny taona 2000 dia nanangana tsangambato fahatsiarovana azy teny Ambatonakanga ny taranany. Rabobalahy izay Officier du palais, 14 voninahitra tamin’ny nahafatesan-dRasalimo reniny tamin’ny 1866. Mitondra ny anarany ny sakeli-dalana eo Ambohitsorohitra mivoaka eo amin’ny vavahadin’ny CSR taloha eo Ambohidahy.
 
Rabobalahy dia nanambady an-dRazafinandrianampoinimerina terak’Andriantokanady Andriamarotafika, avy ao Ambohitrambo Arivonimamo, izay niteraka an-dRazakaratrimo. Avy tamin-dRasoatambaho no nananany an-dRamonjamanana, anadahin-dRamoma (Ranavalona II), izay rain-Razafinandrianampoinimerina, vadin-dRabobalahy. Izany hoe, zanak’anadahin-dRanavalona II ny vadin-dRabobalahy izay niterahany 11 vavy.
 
Araka izany dia manana taranaka marobe Rabobalahy sy Razafinandriana. Miafina ao Ampananinarivolahy, avaratr'i Mahitsy izy. Sarotsarotra ny mihanika eny ka tsy dia andevenana intsony. Raha ny fitadidiana dia anisan’ny farany nafenina teny i Mamy NANAHARY.

15:16 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: rabobalahy, ampananinarivolahy | Comments (0) |  Facebook | | | |