Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Tuesday, 21 March 2017

AMBOHITRANDRIANANAHARY

Andriamananitany dia zandrin'Andriamanelo iray tampo aminy ary zanaky Rangita. Noho izy zandriny dia hoy Rangita : "Ny Alakamisy dia anao Andriamanelo fa andriamatoako ianao, ary ny Zoma kosa no anao Andriamananitany fa zandriny ianao, ka mahandrasa ny farany."
 
Andriamananitany no nanorina ny tanàna #Ambohitrandriananahary.
 
Nony nalonina izy tamin'ny nahavitany ny hadivoriny faingana sady talohan'ny an'Andriamanelo zokiny teo #Alasora, dia lasa izy nanatona an-jokiny. Nangata-dalana sy nangata-tsodrano taminy izy mba honina eo avaratry ny hadin'Alasora. Ny anaran'io vohitra io dia nataony hoe #Ambohimanoazoky, eo amin'ny toerana iorenan'ny fiangonana protestanta Alasora ankehitriny. Nisy saha kely nataony hoe Ankafy teo, izay namboleny akondro sy saonjo. Naniry nijoalajoala ny saonjo fa voalokaloky ny akondro ka nihoatra ny akondro ny haavony. Izany no nahatonga ny fitenenana hoe saonjo mihoatra akondro, mantsy ny zandrin'olona (zandry amin'ny taona na fahaizana na harena sns) izay tonga tafasondrotra noho ny zokiny.
 
Noraisin' ny olona ho fambara milaza ny hanongonany an'Andriamanelo zokiny izany, ka vao mainka nampitombo ilay fialonana azy tamin'ny hadivory. Izany no namonoan'ny Trimoanala azy teo am-panaovana #fanorona.
 
Izy no tratra araka ny lovan-tsofina ho nanao fanorona voalohany teo Imerina, nefa tsy fantatra izay nahazoany izany.
 
Andriamananitany sy Randranomboahangy vadiny no niteraka an'Andrianamboninolona teo Ambohitrandriananahary, izay tonga razan'ny Andrianamboninolona teny Ambohitromby [Ndlr, #Ambohitrombihavana].
 
In Firaketana

00:15 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: ambohitrandriananahary, alasora, ambohitrombihavana | Comments (0) |  Facebook | | | |