Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Sunday, 14 July 2019

NY TAPIA SY NY AMBERIVATRY

vavahady fasan'ny rain'i mamabe.jpg

AMBOHITRANTENAINA dia Fanjakana lehibe teo Imamo, fa hadinon’ny tantara.

Araka ny lovantsofina, ny Andriana voalohany teo Imamo dia fianakavian-dRaminia, ilay silamo, fantatra kokoa any amin’ny faritr’i Mananjary. Tonga teto Madagasikara avy any Malaisie izy sy ny rahalahiny atao hoe Andriakovatsy sy ny anabaviny antsoina hoe Andriankova. Natao hoe Zafiraminia ny taranak’izy ireo.

 

Nony nandroso taona Raminia, dia nanapa-kevitra handao an’i Madagasikara, fa niteny kosa tamin’ireo fianakaviany mba hijanona. Niditra lalindalina kokoa tany anaty ala ireo havany ireo, nitondra siny dimy feno ranomasina, ary nihazo an’Ankova, anaran’Imerina taloha.

 

Nony tonga teo amoron’Ikopa Andriakovatsy sy Andriandrakova, dia nararany tao amin’ny renirano ny ranomasina nentiny, mba hanamarihana fa hitoetra sy honina eo ry zareo.

 

Ny Vazimba no nonina teo, ka dia nanana taranaka tamin’ireo ny fianakavian-dRaminia. Ireo no Zafiraminia Andriambahoaka, mponina tany amin’ny faritr’Imamo tamin’izan fotoana izany.

 

Raha hodinganina lavitra ny tantara, dia nisy ny atao hoe Andriambahoakalehibe na Andriambahoaka rainy, izay nanambatra ny tanàna sy vohitra rehetra niforona teo amin’ny faritaniny. Nanana zanaka nantsoina hoe Andriambahoakafovoantany izy, izay nanorina ny lapany teo Amboniazy.

 

Andriambahoakafovoantany indray, dia nanana zanaka nantsoina hoe Andriampovoandriamanitra teo AMbohimanompo, izay nanjary Manankasina Imamo). Izy no rain’Andrianatomponatsimondrano. Io kosa no niteraka an’Andriantodimangampivovo ao Ambohitrambo, izay rain’Andriantokanady, rain-dRazakaratrimo ao Ambohitrantenaina.

 

Raha fintinina dia :

 

- Andriambahoakalehibe è Andriambahoakafovoantany

- Andriambahoakafovoantany è Andriampovoandriamanitra

- Andriampovoandriamanitra è Andrianatomponatsimondrano

- Andrianatomponatsimondrano è Andriantokanady

- Andriantokanady è Razakaratrimo

 

Razakaratrimo, no Andriana tompon’Ambohitrantenaina. Nanana lapa nierinerina teo amin’ny havoana harambato teo Ambohitrambo izy, nihoatra ny arivo metatra ny haavon’izany. Nony hitany fa sarotra ivelomana teny, dia nangataka tamin’ny rainy izy mba hifindra eny ambanimbany kokoa, mba eny akaikin’ny loharano sy ny tanimbary. Izany no nahatonga azy teny Ambohitrantenaina.

 

Voahodidina hady fiarovana anankiroa ny tanàna. Koa satria ny rainy, Andriantokanady dia nanoa sy nanaiky an’Andrianampoinimerina  andrianan’Ambohimanga, mpanjakan’Imerina, dia natao ho eo amin’ny laharan’ny Andriamasinavalona Razakaratrimo. Ny marimarina kokoa dia Zanakandriamasinavalon’imerina.

 

Ho fanamafisana ny fihavanana, dia nifanaraka Andrianampoinimerina sy Andriantokanady fa hampivadiana ny zanany. Koa dia nivady Razakaratrimo sy Rafarasoa Ramasindrazana (Ambatomanoina). Ireo no niteraka an-dRamoma, izay nanjary Ranavalona II.

 

Tsy faly tamin’izany fanambadiana izany ny rahalahin’Andriantokanady ka nifofo ny ainy. Tezitra Andrianampoinimerina ka dia nasesiny hotafihana sy horoahina tsirairay ireo sady niteny izy hoe  «Ataoko maty andro fa velon’alina i Andriantokanady».

 

Dia nanjaka nilamina teo Ambohitrantenaina Razakaratrimo.

 

Raha ny marina dia nanana vady roa (nanambady indroa) Razakaratrimo :

- Ranoko, izay Andriambahoaka avy any Antanamanjaka (Imamo)

-Rafarasoa Ramasindrazana

 

Marihana fa Rafarasoa Ramasindrazana dia efa vadin’Andriambongo (Andratsay) ary niteraka an-dRamboasalama, talohan’ny nanambadiany an-dRazakaratrimo.

 

Ny zanaky Razakaratrimo sy Ranoko (Andriamasinavalon’Imamo) dia :

-Ramasimanana

-Rafaravavy Ratsivery

 

Rafaravavy Ratsivery dia niteraka an-dRaseheno. Natsangan-dRanavalona II io, izay niteraka an’i Princesse Razafindrazaka, vadin-dRamahatra sy Ratsimamanga.

 

Ny zanaky Razakaratrimo sy Rafarasoa Ramasindrazana kosa dia :

- Prince Ramahatrarivo I

- Ramoma

- Prince Ramonjamanana

 

Ireo zanaky Ramahatrarivo  dia natsangan-dRanavalona II avokoa :

- Rasoarandrana

- Ramahatra

- Ratrimoarivony

- Rampelasinoro

 

Nony nahazo Fanjakana Ranavalona II, dia tsy nanadino an’ireo havany avy any Imamo, izay nantsoiny honina any Imerina ka napetrany teny Ambonin’Ampamarinana sy tao Amparibe.

 

 

00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: andriantokanady, razakaratrimo, ambohitrantenaina, ambohitrambo, arivonimamo | Comments (0) |  Facebook | | | |