Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Saturday, 16 June 2018

TOHOTRA SY TOHATRA

Ny mamo aloha dia misy hoe ranomason-toaka. Fa ny adala ve mba mety hitomanin’alahelo ?

Misy fihetseham-po tsy voalaza na amin’ny teny inona na amin’ny teny inona. Misy ratram-po tsy voafafa na amin’ny fomba inona na amin’ny fomba inona. Ary izaho tsy mino fa hisy ny fanadinoana sy fanafoanana toy ny tsy nisy ao anaty fahatsiarovana ny lalana nandratra. Toy ny hoe handeha hamakivaky ny ala atsinanana, amin’ny andro manjombona sy matroka, ka ianao ilay vahiny nentina niara-dalana tsy sazoka. Ianao ilay mpangataka sy mpiangavy fiantrana, amin-javatra lafo vidy nefa anana tsy mahavaly hena. Ianao ilay vesatra amin’ny tsy antony, tsy dia mahabe voninahitra fa manimba sary. Iza moa no hahatsiaro an’izay ririnin-dasa mety ho nilàna anao ? Nizara lamba ianao, faham-borodamba nanafana tokoa saingy tsy faseho vahoaka. Iza no hahatadidy an’izay lakana nomenao nitana ? Tsy tsipahin-doha akory ireny rehefa tody eny am-pita, fa tsy jerena tsotra izao. Ianao no te hanolo-tena sy hanolo-tanana fa tsy nisy nila vonjy taminao, satria rian-drano kely fotsiny iny fa ianao no nahita ony be… Raha izay asa saina nampanaovina anao, fa angaha moa ireny nisy masonkarena firy ? Bokotra kely tsindriana fotsiny dia azo izay takiana aminao. Angaha ianao miala vola ? Ny solika no misy paompy mamoaka ny sandan’ny lany ; ny famantaranandro no misy fanjaitra manondro ny fotoana very. Lany sy very isahanana ny rendrarendranao. Satria fantatrao ny varotra noraiketinao, nefa tsy niomananao ny enti-manana. Ka raha tsy teo izy dia inona no ho nataonao ? Raha olona marani-tsaina toa anao io ve dia mba hoe ho tratry ny tsy fidiny ? Tsy voafehinao angaha ny olona ifampiraharahanao ? Eny, raha olona marani-tsaina toa anao, dia tsy hanadino ny antsipiriany tamin’izay rehetra niseho tamin’iny tapak’andro iny. Tsy nafenina anao fa niniana naseho, ho tsapanao tsara hoe atsaharo ny fiandrandrana olon-kafa. Ianao indray ve no hatoro sy hampahatsiahivina fa samy nohosoran-dreny menaka ? Izay rehetra tsy ampy aminao, dia safidy sy sitrapo, na fara faharatsiny, anjaranao. Ka aza ifampizaràna amin’ny hafa. Fa irery ianao no tonga teto, hiala irery eto ianao. Ny eo anelanelan’izay : nofinofy adala …

Lalana iraisana, fananana iombonana, zanaka ikambanana : aza manantena …

Efa io ny marika hita maso, hoe manàna hambo. Raha mbola hisy ny mody masoandro, dia atopazo eny andrefana ny fijery. Nefa, raha hisy ho avy an-dranomaso, hitalaho misasakalina, dia mbola hamoha trano azy ihany ianao, satria adala, ary hoheveriny fa ao anaty kajy hiandrasanao valiny aminy izay mbola hataonao …

16:30 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: ambatolaona | Comments (0) |  Facebook | | | |