Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Wednesday, 02 October 2013

MALADIE D'ALZHEIMER

Tsy cours de médecine ity fa mba tari-dalana fotsiny satria mahonena daholo na ny marary na ny fianakaviany. Tsy feno ary tsy à jour ka tsy afaka mamaly fanontaniana aho. Neuropsychiatre no spécialiste tokony hatonina.
 
Alois ALZHEIMER dia neuropathologiste allemand, namariparitra tamin'ny ankapobeny an'ity aretina ity tamin'ny taona 1906.
 
Ny maladie d'Alzheimer dia aretina mitarazoka mamely ny atidoha. Tsy dia fantatra mazava ny antony marina fa avy amin-javatra maro mifamahofaho. Io no mahazo ny ankamaroan'ny olombelona ataontsika hoe "adala" na "marary saina" amin'ilay hoe démence primaire, izay tsy avy amin'ny aretin-kafa toy ny hoe tumeur cérébrale na fahatsentsenan'ny lalan-dra.
 
Rehefa voa-avaka ireo antony hafa ireo, vao mety ho afaka miteny hoe maladie d'Alzheimer.
 
Any amin'ny faha-45 taona any dia mety efa ho tratrany fa tsy voatery hoe noho ny fahanterana. Amin'ny ankapobeny kosa, dia eo amin'ny faha-70 taona eo.
 
Ny sehon'aretina dia avy amin'ny fifintinan'ny atidoha (atrophie cérébrale). Misoko miadana tsy re tsaika izy io.
 
Misy facteur génétique manaranaka miaraka amin'ny antony avy amin'ny tontolo manodidina iainana. Mety ho fanapoizinana (toxique) avy amin'ny aluminium izany (aza anontaniana ahy hoe ahoana izany), mety ho avy amina otrikaretina (infectieux), mety ho avy amin'ny fikorontanan'ny hery fiarovana (immunologique). Miantraika amin'ny atidoha izany. Maty ny ankabeazan'ny neurones (cellules nerveuses), mihena ny isany, mifintina ny cortex cérebral ary mihakely koa ny atidoha. Sokajiana anatin'ny hoe maladie dégénérative izy. Miova sy mikorontana ny fiasan'ny système nerveux araka izany. Mikorontana ny fisainana sy ny fahatakaran-javatra.
 
Ireo trangan'aretina dia mety hiara-miseho, na hifandimby, na hiovaova. Mety hiandoha amin'ny fahaverezan-tadidy, ary matetika io no tena misongadina sy mibahana. Tsy tadidy izay vao noresahana na natao teo. Miverimberina ny teny, miantsoro mianohatra. Sahirana mitady voambolana hampiasaina na dia amin'ny zavatra efa fahita isan'andro aza dia tsy hay ny anarany. Tsy tsaroana hoe efa nisakafo ve. Tsy tsapa akory hoe miboridana ny tena : hadino ny niakanjo. Matetika voasoketa ho mpamosavy mivoaka alina. Tsy fantatra ny lalana mody. Tsy misy olona tadidy na dia ny fianakaviana mpifanerasera aza. Mety hitantara zavatra tsy mitombina sy tsy mitohy ary tsy misy dikany.
 
Saingy tsy ny fanadinoana rehetra tsy akory dia maladie d'Alzheimer daholo. Tsy voatery hisy koa izany fahaverezan-tadidy izany.
 
Amin'ny fotoana sasany, dia salama tsara tokoa ilay olona. Hany ka lazain'ny manodidina ho misomonga na manao cinéma.
 
Mety somary hivembena, sahirana mamindra na manetsika ny rantsam-batana nefa tsy malemy (apraxie). Tsy vita intsony (tsy hay ny mampiditra satroka, mamatotra fehin-kiraro ...).
 
Mety ho taitaitra sy hipelipelika, hitroatroatra na hanao fihetsika hanakorontana ny fiarahamonina (troubles du comportement).
 
Mety koa hisy fikorontanana ara-pihetseham-po (mientanentan-kafaliana be loatra, na mihorohoron-tahotra tafahoatra, na migogogogon'alahelo mihoa-pampana ...
 
Mizotra ho amin'ny tsy fahavaran-tena, tsy fahavitan-tena irery intsony. Noho izany dia mety ho fatin'ny mosary na loza hafa. Miha-very saina (adala) andro aman'alina ary mifarana amin'ny fahafatesana.
 
Arakaraka ny trangan'aretina ny fitsaboana ara-panafody atao. Fampitoniana ohatra raha mitroatroatra ilay olona.
 
Fa ny tena tokony hatao dia ny tsy famelàna ireny olona ireny ho irery. Mbola hafa samy fitsaboana ny fitiavana. Mitaky faharetana sy fahafoizan-tena betsaka izany.
 
Tsy hisy fahasitranana, fa fanohanana no atao.

10:00 Posted by Rondro H REGNIER | Tags: alzheimer | Comments (0) |  Facebook | | | |