Sunday, 30 December 2018
KITROTRO
Tamin’izahay mbola zaza, raha vao mandre ny ray aman-dreninay hoe voan’ny kitrotro na nendram-boalavo na donika ny zanaky ny havanay, dia entina any izahay « mba ho voa ». Satria fantatry ny ray aman-dreninay, fa misy aretina atao hoe « immunisant », ka toy ny vita fanefitra rehefa voany indray mandeha.
Amin’izao fotoana efa « mazava », heniky ny fandrosoana izao, dia indro fa mirongatra ity karazana aretina efa tokony ho fongotra ity, anisan’izany ny kitrotro. Aretin-jaza kokoa izy io, saingy ankehitriny dia manjary mahavoa ny olon-dehibe.
Dia hoy aho hoe :
-na tsy kitrotro izany
-na immuno-déprimé ilay olon-dehibe, izany hoe tsy ampy hery fiarovana.
Dia nizara an’izany eritreritro izany tamin’ilay dokotera namako mpiserasera tao amin’ny ministera aho, dia hoy izy : «aza manabe raharaha moa e ».
Hazavaiko anareo :
Ny kitrotro, ny nendram-boalavo, ny donika dia aretin-jaza « immunisant ». Rehefa voa, na mifampikasoka amin’ny virus indray mandeha, dia tsy voa intsony. Na, atao vaksiny, na, voa @ mbola kely, dia mamokatra anti-corps ho azy ny vatana raha vao mifanena amin’ilay virus.
Ka tsy azo eritreretina raha ity toe-javatra iainana eto Madagasikara, no hoe hisy olona tena tsy nifanena tamin’ny kitrotro mihitsy. Ary ny olona « matanjaka » sy « àry tsara » dia tokony hahatohitra ny kitrotro, satria tena tsy nahafaty mihitsy izany taloha.
Izany hoe : mety tsy kitrotro ilay mamely io fa mitovitovy aminy fa virus hafa mihitsy (mba nanao virogramme ve ny ministera, ohatra. Toa « eny » no valiny, natao tamin’ny santiona vitsivitsy ihany satria … lafo).
Raha tena kitrotro no mamely an’ireo olon-dehibe voa, dia immuno-déprimés izany izy ireo. Izany hoe marefo ny système immunitaire (hery fiarovan-tenany) noho ny antony maro. Ny loza dia hoe noho ny fisotroana fahatany tambavy ohatra : ny karazana vonenina sy vahona dia immuno-suppresseurs (mamono ny sela sasany mpiandraikitra ny fiarovan-tena), …. Azo eritreretina koa fa mety mitondra ny tsimokaretina VIH mihitsy ….
Ka hoy aho hoe sao mba « épidémie d’immuno-déficience » no misy ??? Sao valan’aretina hafa no mampirongatra ny valan’aretina sasany ?
15:15 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: rougeole, épidémie d'immuno-déficience | Comments (0) | Facebook | | |