Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Friday, 15 April 2016

DOKOTERA PARACETAMOL

Mbola hanefa adidy ihany e!

Hay ity olona noheveriko fa mahazo an'izay resaka rehetra nataoko ity, ka nijerijery ahy fotsiny fa tsy nisy na inona na inona niditra tamin'ny lohany!

Hiresaka fanafody.

Kivikivy isika rehefa nivoaka avy ao amin'ny biraon'i dokotera fa tsy nisy na inona na inona nolazainy! Dia aoka holazaina antsika fa :

1/-Misy aretina, izay alamin'ny "fahaizana miaina" fotsiny izao (régime hygiéno-diététique). Toy ny fikorontanan'ny tosidra, ny fahasarotan'ny fananana anaka, ny diabeta (lazaiko fa aretina izany fa fanamboaran-tsaina ny filazana hoe toe-tena. Aretina izany, aretina ny autisme, ny spasmophilie, ny tosi-dra avo na iva, ...). Misy, hoy aho, fa tsy izy rehetra, ary misy fotoana ilàna fomba fitsaboana hafa manampy an'izany.

Hoy i dokotera amin'izay : amboary ny fomba fisakafo, manaova dia an-tongotra, mianara miaina amin'ny kibo, misotroa rano, ahenao ny lanja.

Dia tsy faly isika hoe "izay fotsiny ve".

2/-Raha misy fiakaran'ny hafanana, fièvre hoy isika (hyperthermie), na hoe manavy, indraindray aza, atao hoe "tazo", dia tokony ho fantatra fa antony maro no mety hampakatra ny hafanana. Ny atao hoe mafana dia refesina amin'ny thermomètre ka mihoatra ny 38 degrés, fa tsy ny faminaniana avy amin'ny vohon-tanana. Ny atao hoe mitsabo dia manongotra ny fototr'aretina fa tsy mampitony ny trangatranga miseho tsy fantatra antony. Ka raha mihazakazaka mampiasa avy hatrany Antibiotiques (mamono microbes), dia mety hijanona tokoa ilay fanaviana, fa ilay aretina tsy ho afaka akory. Mandra-pahita hoe inona ilay anton'ny fanaviana, dia manome fampidinana hafanana atao hoe Paracétamol na acétaminophène aloha i dokotera.

Dia omentsika anaram-bosotra i dokotera hoe Dr Paracétamol.

3/-Ny fanafody dia misy karazany roa : ny atao hoe générique, sy ny atao hoe spécialité. Moramora vidy kokoa ny générique, nefa dia principe actif mitovy ihany no ao anaty "spécialité". Ny atao hoe principe actif dia ilay singa chimique manana hery hiady amin'ny antony mahatonga ny aretina. Lafo ny "spécialité" satria nisahirana be ny laboratoire namokatra azy mba hahatsaratsara bika azy. Ohatra : paracétamol. Paracétamol ihany tompoko ny Doliprane, ny Efferalgan, ny Dafalgan, ... Jereo ny taratasy kely ao anaty boaty fa paracétamol ihany ireo fa ny endriny no samihafa.

Dia ridicule be isika raha miteny i dokotera hoe paracétamol dia isika mitsatsaingoka fa Efferalgan ihany no mety amiko !

4/-Farany. Rehefa be zizo isika fa toa tsy miraharaha akory i dokotera, dia asainy mividy fanafody faran'izay lafo isika. Dia milamina ny saina dia manampy amin'ny "fahasitranana" koa izany. Sady kevokevoka isika miteniteny eran'ny olom-pantatra fa tena mafy daka be ilay fanafody ary raha tsy izay mihitsy tsy sitrana fa lany andro tany amin'i dokotera paracétamol fotsiny ...

Mbola hitohy raha mazoto aho. Dia mba tadidio izay!

00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: automédication | Comments (0) |  Facebook | | | |