Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Sunday, 11 June 2017

FITSABOANA, FANASITRANANA, FITAIZAM-BATANA...

Aza mahafady indrindra tompoko.

Raha resaka fitsaboana, izany hoe efa misy ARETINA ka ezahana hositranina, dia tena ifonako fa izaho tsy miresaka afa-tsy izay sciences médicales matotra sy technologies vita sedra sy voarefy. Raha fanafody dia ilaiko ho fantatra ny principe actif amin'ny fatrany ahoana. Ohatra hoe ao anaty cachet d'aspirine iray dia misy acide acétylsalicylique 500mg. Ao anaty ran'olombelona salama tsara dia izao avy no tahan'ny singa izao na izao. Raha hanao tsindrona intramusculaire dia izao no haben'ny fanjaitra ampiasaina. Raha handrefy tosidra dia misy fitaovana atao hoe tensiomètre. Raha handanja dia misy fitaovana atao hoe pèse-bébé na pèse-personne. Raha hanotra dia mila fahaizana atao hoe kinésiologie, ...

Noho izany, izaho tsy miresaka FITSABOANA anjoanjo amin'ny bozaka aman'ahitra, tsy miady hevitra amin'ny fifampiraharahana amin'ny kintana amam-bolana, tsy mifandresy lahatra amin'ny sitrapon'ny zanahary sy ny tromba, tsy mifandolo amin'ny tsindrimandry sy ny fanomezam-pahasoavana manokana ... Averiko indray, ARETINA TSABOINA no resaka.

Noho ny antony tokana hoe TSY HAIKO.

Ary rehefa tsy haiko dia :
*tsy resahako
*tsy iadiako hevitra
*tsy ataoko
*tsy ekeko hampanaovina ahy.

Mazava izay. Une bonne fois pour toutes.

00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: automédication | Comments (0) |  Facebook | | | |