Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Tuesday, 01 January 2019

EMMOTION, oui, emmo-tion

Fanindroany nanoratako mikasika ny Facebook angamba ity satria nahazo fiarahabana aho.

 

Mandefa fiarahabana ahy ny Facebook. Folo taona, hono, no nampiasako azy. Tadidiny ve aho :-D ? Kaonty fahatelo manko ity. Ny voalohany dia nisy « nampiasa » satria nisy tafiditra tamin’ny kaontiko ! Novaina ity anarana, nataoko anarako tena anarako. Nahita ahy avokoa izao tontolo nahafantatra ahy izao. Tsy mety amiko izany. Novaina fanintelony indray. Ka asa na ity fahatelo ity no folo taona, fa izaho moa tsy mba tia manisaisa loatra. Raha mariazy, dia noces d’étain. Firaka. Fa hafa mihitsy ny taim-piraka.

 

Kaonty tokana, photo de profil iray nandritra ny folo taona. « Namana » tsy nahoatra ny dimampolo. No private data. Note iray isaka ny tapa-bolana. Fitaovana tsotsotra sy mora indrindra amiko ny Facebook. Haingana noho ny paositra, tsotra noho ny e-mail, mora vidy noho ny antso téléphone sy SMS.

 

Folo taona. Olona roa no niady tamiko.

 

Ny anankiray, olona « tsy fantatro » fa nangataka ho namana. Tsy dia mpanaiky fangatahana toy izany aho. Efa « mpanaraka » ahy, hono, izy. Ka tsy voatery ho « namako » anefa raha izany. Satria saika public avokoa izay ataoko. Tsy manam-potoana anaovana sivana aho. Izany no maha-kaonty tokana ny kaonty facebook-ko, adiresy tokana ny e-mail-ko, numero tokana ny téléphone-ko … Dia ao anaty téléphone avokoa izany rehetra izany, satria izaho dia mifindrafindra toerana be mihitsy noho ny asa sy ny fiainana. Araka izany, dia tsy mba manao Log in sy Log out isaka ny mandeha aho, ka dia « on » foana izany izy ireo, izany hoe « maitso » lalandava. Vao « ninamana » herinandro angamba izaho sy ity olona tsy fantatro, dia nandefasany message privé aho, milaza hoe « ary ianao tena tsy miala mihitsy an ». Tsy miala ahoana, hoy aho. Ka na antoandro na alina na amin’ny firy na amin’ny firy dia hitako connectée eo foana, hoy izy. Ka ianao koa ange izany, eo foana, tsy misy atao afa-tsy manara-maso ahy e, hoy aho. Tsy tadidiko tsara ilay fomba nitenenako azy, fa somary mikaviavia ihany moa aho amin’ilay izy. Fa tsapako tany anaty sorany ny hatezerany : « Inona koa no hanarahako maso anao ? Hay izany no toetranao ? Blokéo any koa rangahy ah ». Ye izany mihitsy ny toetrako, hoy koa aho, ary tsy sarotra ny mi-bloquer !

 

Toy ny olona maro, dia inoako fa mbola manana kaonty hafa io olona io, « hanarahany maso » ahy. Tsy tadidiko moa, tompoko, ny anaranao, raha tsy izany no-débloquer-ko dia mba ho hitanao indray izao fahatsiarovana kely ny « tantarantsika » izao.

 

Ny faharoa dia havana « akaiky » tsy nifandray tamiko raha tsy teo amin’ny faha-dimampolo taonany. Lovan-tsofina no nifankahalalanay. Dia nisaotsaotra ny facebook izy fa « nahita » ahy amin’izay ! Koa satria moa izaho, ilay « connectée » lalandava, araka ny tenin’ilay ranamana anankiray, dia heverin’ny olona ho sekreteram-pianakaviana. Fa na mpanao gazety toa inona aza aho, tsy mihazakazaka amin’ny scoop. Tsy izay rehetra henoko hoe teraka, natao batisa, natao didim-poitra, nanambady, nisara-panambadiana, tratra nampirafy, maty, nitsangana tamin’ny maty, …. dia havoakako daholo amin’ny gazety atao hoe facebook !!! Maty àry ity olona anankiray, akaiky azy kokoa noho izaho, saingy tsy dia azoazony. Mahagaga fa izy anefa dia milaza ho liam-pihavanana … Hanky va re ny vava nataony hoe nahoana no « afeniko » ity fahafatesana. Nandeha avokoa ny re-tweet, re-share, print screen … Commentaires re izao. Nitranga teo avokoa hoe iza avy no ankolafy mankaiza tamin’ireto atao hoe « havanay ». Tokony ho notantaraiko mivantana izany ny zava-miseho : io fa miala aina, maty ve, mbola tsy maty, maaaaaaaaaty ilay olona ry havana. Dia no-bloquer-ko koa iny. Tsy mahazaka demokrasia, hono, aho. Nofafan’ny EMMOREG tao anaty groupe, hono, ny anarany. Izaho io EMMOREG io. Soa ihany, hono, izy fa « manan-janaka mahay teknolojia » dia fantany fa noesoriko tao izy. Andriamatoa sy ny zanany ô, no-bloquer-ko tsy ho « namako » ianao (ianareo mianakavy) fa tsy noesoriko tao anaty groupe-mpianakaviana. Mbola mpihavana soa aman-tsara ianareo rehetra. Izaho no niala tao.

 

Nahita ny EMMOREG teny Analakely aho dia nitsiky, nahatsiaro hoe indreto ny mpiara-miasa amiko !

 

Ry namako,

raha mbola hampiasa facebook ankoatra ny messenger aho, dia hanao mpanentana soavaly de bois kokoa : hizarazara hira sy feon-kira. Dia hi-zem sy hananihany anareo amin’izay ataonareo. Mankasitraka !

 

**Ny EMMOREG dia Etat-major mixte opérationnel, vondron-kery itambaran’ny mpitandro filaminana, irahin’ny tompom-panjakana hampangina an’izay mitabataba sy mampitabataba rehetra. Malaza ho herim-pamoretana, hery famoretana. Ka rehefa oharina amin’ny emmoreg na petahana anarana ho emmoreg dia mba mandehandeha ihany ny saina … Reg dia régional, Nisy koa ny emmonat teo aloha (national) fa tao aoriana dia nanjary emmo-sécurité. Ity kosa dia emmo-tion **

00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: emmoreg, facebook, fihavanana, bloqué, connectée | Comments (0) |  Facebook | | | |

1 2 Next