Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Sunday, 08 September 2019

THEATRE HONO KA HOE

Azafady Ramatoa Clara RAZAIARINOSY fa mba hampiasaiko io « hono ka hoe » nanaovanao fandaharana nahafinaritra tao amin’ny Radio Korail io ! Tena mety be amin’ity resaka ity mantsy ilay izy. Maha-sarotiny ahy ny toe-javatra mitarehin-kalatra sy fisandohana, ka dia tononiko amim-panajana ny anaranao.

Théâtre no horesahana. Ilay oha-pitenenan’ny Gasy hoe fihatsarambelatsihy dia misy mifandanja aminy eran-tany. Matetika io olona atao hoe Gasy io dia mihevitra ho hany miavaka eto an-tany, mihevitra ho foiben’ny zavaboary rehetra. Tsara ihany ilay fiheveran-tena ho « zavatra » fa tokony hahazoana « tombony » azo tsapain-tanana ihany koa mba tsy hamitahan-tena sy hifamitahana ! Tsy dia ratsy foana io fihatsarambelatsihy io fa tena mari-panajana sy fitsinjovana fiarahamonina ihany koa indraindray. Izy aloha dia sokajiana ao anatin’ny hoe lainga, mazava be izay.

Ny hevi-teny frantsay hoe manao théâtre, manao cinéma, manao simulation, dia tena izany mihitsy. Dia misy koa ny hoe diplomatie, tact, étiquette, …

Dia nisahana fandaharan’asa ho an’ny ankizy mpirenireny eran’Antaninarenina àry ity izaho. Tsy itony hoe mody manao mba hahazoana famatsiam-bola, fa tena fiheverana ny hoavin’ireny zaza ireny, tsy amin’ny alalan’ny sekoly tery vay manta, fa amin’ny alalan’ny talenta. Tsy ao anatin’ny filàny mihitsy ny hahay mihoatra ny vakiteny tsotsotra sy kajy an-kandrina. Nalaza be ny « zaza kanto », fa tsy zava-baovao. Izahay ilay niasa mangina tsy nively amponga tamin’ny haino aman-jery, nitsirika talenta tamin’ny fomba skoto, ary nanome sehatra ho fanatsarana an’izany talenta izany.

Dia nanao « théâtre » àry ireto quatr’amis. Mba hahafahana manome tolotra « manara-penitra » noho ny traikefa tsy nanananay loatra, dia niantso olona « matianina ». Matianina hono ka hoe ! Dia nantsoina « ingahy » fanta-daza. Dia nahita hevitra ingahy fanta-daza. Ary dia nakariny an-tsehatra amin’ny anarany teny amin’ny kianjan’ny Rainiboto ireto zaza, naniry elatra … Coup de théâtre ? Tsia. Efa fantatra mialoha tamin’ny alalan’ireo ankizy ireo fihaonana matetika sy fiomanana rehetra. Dia mora dia mora ny namily lalana an’ireo ankizy efa voaangona, ankizy efa hita teny foana, saingy niandry ny hevitry ny hafa mba hanasongadinana ny anaran’ny tena !

Nanomboka teo, tena sarotra ny « nitaiza » an’ireo ankizy, satria nitombo tsiro tao anatiny ny atao hoe « vola entin’ny laza ». Dia simba ilay mba tetikasanay. Izany no izy rehefa miveraka ka manome bala hitifirana ny tena.

Ankehitriny aho, mandre olona midera sy mankalaza an’ « ingahy ». Tsy omena tsiny. Tsy ny rehetra no mahita ny atao hoe coulisse fa jambenan’ny eo an-tsehatra, ary voarotsirotsin’ny laha-teny.

Eny hoa e

07:55 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: 4 amis, théâtre, plagiat | Comments (0) |  Facebook | | | |