Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Wednesday, 25 September 2019

DE L'HOMOSEXUALITE

Betsaka ny zavatra sy fomba ataon’ny hafa, tsy iombonako hevitra. Tsy manana fampieritreretana hatao ho azy ireny aho, fa manohy ny teny ireriko toy ny mahazatra ahy. Misy zavatra tsy hataoko mihitsy, fa tsy mampaninona ahy raha misy manao, ary tsy ifandirako aminy rehefa tsy manelingelina ny zotram-piainako.

Ny atao hoe PACS dia pacte civil de solidarité.  Fifanarahan’ny olona roa izy io, hamaritany ny fepetra iarahany miaina. Atao hoe pacsé(e)(s) ny olona voafatotr’io fifanekena io. Mety ho lehilahy sy vehivavy io, mety ho lehilahy roa, mety ho vehivavy roa.  Izany hoe tsy mariage fa fiarahana miaina, toy ny hoe associé(e)(s) na mpiara-miombona antoka roa. Ny mpiara-miombona antoka dia mikatsaka tombony ara-pihariana kokoa. Amin’ny pacs kosa, dia angamba mifototra kokoa amin’ny atao hoe « fitiavana », miaraka amin’izay rehetra fonosin’izany ara-fifandraisana. Hatramin’izao, dia olona roa no mifanao pacs, saingy eo anatrehan’ity firimorimon’ny atao hoe fandrosoana mankany amin’ny fomba hafahafa, dia ho lasa vondron’olona izy io atsy ho atsy ; lehilahy telo sy vehivavy roa ohatra, na vehivavy dimy ambin’ny folo.

Ny dikan’ny hoe mariage tany am-piandohana, dia fikambanan’ny lehilahy iray sy vehivavy iray amin’ny rohin’ny fanambadiana. Ny atao hoe mivady, dia mifameno. Epouser, hoy ny teny frantsay. Ny bokaboka no mameno ny kely andilana. Tsy azo lazaina hoe « mivady » ny dongona anankiroa. Ny atao hoe mivady dia mirindra tsara, tsy manelingelina ny fahatsapana (ny fahitana sy ny fandrenesana). «Mivady tsara kosa ny feon’izy roa », izany hoe tsy misy maningana. « Mivady tsara ireo loko nampiarahany », izany hoe manome hatsarana vaovao ny fitambaran’ireo loko.

Ka ireto olona roa samy lehilahy, na samy vehivavy milaza fa « mpivady » dia tokony ilay teny hoe pacs angamba no hampiasainy, raha toa ka hitany fa misy « hatsarana » izany zavatra ataony izany. Ho an’ny Gasy manokana, dia tsy mety ny hoe fananahana satria tsy ao anatin’ny « fiarahany » no hampiasany ny fananahany hananany « anaka ». Noho izany, dia fiarahan’ny « olona mitovy rafi-batana » no mety aminy.

Ho fanajana ny hevitry ny teny, rehefa hovaina ihany ny endriky ny fomba.

12:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: homosexualité, pacs, association, mariage | Comments (0) |  Facebook | | | |