Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Thursday, 04 April 2019

AVY ANY KOWEIT

Firifiry moa ireo nanao an-ditra, nahita lalana ambanin’ny tany, nihoarana an’ireo vendrana rehetra niandry ny rariny teo amin’ny tany nametrahan’ny mpahary azy ?

Ekeko mihitsy fa ny tongo-dava no ahitan-kanina. Ny kanosa toa ahy no manitrikitrika fa ny vola tsy hita eo an-tanindrazana, dia tsy ho hita intsony. Firifiry ireo manosika ahy mafy, hiova lasy handao ny taniko, hitady ravin’ahitra ? Endrika fanomezan-tsiny ve izany, sa endrika fialana nenina, trosan-datsa haverina amiko raha any andro iray ka resy tanteraka aho ?

Dia niondrana an-tsambokely ireto vehivavy. Tsy fantatro izay fatram-pahalalana sy tombony ananany ankoatra ny fahasahiana. Tany amin’ny tany arabo no nitonantonana. Asa izay « hadalana » natao tany, ankoatra ny hamaivanan-doha nentina nankany. Satria dia lalana tsy nazava hatreny am-piandohana no nizorana. Nitsako tsy re, kenda vao dony aho Raprezy !

Dia iny tokoa ingahy prezidà, vontom-pitiavana, fa nanakorontana havoana sy lohasaha, nampody an’ireto voan’ny tsy fidiny ! Notsaboina, nofehezina ny ratrany, nohamaivanina ny hanoanany, nampanantenaina asa hivelomany. Tena niangaran’ny vintana ara-bakiteny tokoa ireo izy, nahita an’izay « an-dafy » sady nahita « angano » ihany koa.

Dia tsaroako ilay tantara fanoharana ao anaty baiboly, ilay zanaka adala hoy ny protestanta ; ilay zaza mpandany hoy ny katolika. Mba inona moa no fampirisihana sy fankasitrahana an’ireo niana-kendry ho valala fiandry fasana, niaritra ny nisy sy ny tsy nisy teo an-tanàna ? Mety betsaka fa tsy notantaraina. Ny nasongadina dia ny fandraisana makotrokotroka natao an’ilay nania : tsy vitan’ny nandeha, fa efa nandany ny anjara lovany tamin’izay danin’ny kibony. Rehefa niverina ka nanao mampalahelo, dia mbola nahita anjara ho azy ihany ity rainy. Notsenaina toy ny mahery fo avy any an’ady ity izy.

Firifiry ireo tokantrano, namoy fananana nentina nanavotana ny raim-pianakaviana bokan-trosa tamin’ny rendrarendra tany ivelany, tsy niarahan-komana tamin’ny vady aman-janaka ?

Firifiry ireo mpiray tampo, mangaihay fa ny lova nikambanana  dia nanavotam-boninahitra noho ny anankiray tompon’ny ditra?

Toy inona ny fahoriako sy ny vendrana toa ahy, manefa ny hetra tsy maintsy aloako mitokana, mividy entana lafo noho ny hetra mitovana ? Dia mankaiza izany volako izany ? Itsinjovan’i prezidà an’ireo minia ho enta-mavesatra eto an-tany ve ?

Aoka kosa e.

00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: koweit, enfant prodigue | Comments (0) |  Facebook | | | |