Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Monday, 27 May 2019

NY ANJELIN'I JEHOVAH

Izaho dia mino an’Andriamanitra Ray Tsitoha nahary ny lanitra sy ny tany. Tsy hitako moa izy, izay no maha-finoana azy. Izaho dia mino fa i dada no raiko. Finoana koa izay, saingy i dada kosa dia hitako. Hitako ny vatan-tenany, tsy fantatro na izy tokoa no nananan’i neny ahy, fa izy « hono » ka dia mino aho. Fa io dadako io, raha angatahako zavatra, dia manaiky na mandà, na manome fotoana. Maniraka olona izy, na ny vatan-tenany no tonga manatitra an’izay angatahako aminy.

Andriamanitra kosa, ilay antsoina ihany koa hoe Jehovah, dia ny anarany ihany no fantatro sy azoko antsoina. Tsy mandà, tsy manaiky, tsy manome fotoana, tsy miteny, tsy mivolana izy. Ny anjeliny, hono, no mitoby manodidina an’izay matahotra azy. Mampatahotra angaha moa izy ? Sao dia voambolana hafa no tokony hampiasaina. Izaho mantsy tsy matahotra an’i dada. Fa izaho koa, na inona na inona fahalalana nananana, na inona na inona dona nahazo, na inona na inona nofinofy nalefa, dia teo ambonin’ny tany hatrany ny tongotra roa, ary teo ambony soroka foana ny loha. Izany hoe, teo ny finoana, izay fitaovana nentina niasa, nananana an’izay ananana.

Ilay toeram-ponenako dia tena mitokana sady mangina. Ambanivohitra. Anaty ala mikitrokitroka ihany. Mety tsara amin’ny toe-po amam-pisainako. Ny mpitazana no mihorohoro, fa izaho, dia matory maty tsy vonon-kandre izay ambonin’ny tany. Mila namana ihany anefa aho, ilay atao hoe mpiambina hoy ny olona. Tsy dia misy hambenana loatra, fa mba tsy bangàna kosa ny tanàna hanjakan’ny adala rehetra. Mila fikarakarana ny zava-manana aina eo an-toerana : biby sy zava-maniry. Mila fanadiovana ny tontolo, mila fanitarana ny zava-tsoa ananana. Herin’ny masoandro no angovo ampiasaina, ary rano am-bovo no paompiana hiakatra ao an-tsinibe miaty arivo litatra any amin’ny efapolo metatra ambonin’ny tany, mba hahazoana fahatomombanana fara fahakeliny amin’ny fiainana andavanandro. Vatan-dehilahy matanjaka no mila manao an’izany isan’andro, mandritra ny antsasak’adiny eo ho eo…

Ary sarotra dia sarotra ny mahita an’ity hoe « mpanampy ». Raha fehezina, dia tsy te hisasatra ny olona fa te hovelomiko maimaimpoana. Ny fihetsiky ny olona dia toy ny hoe norombahiko ny anjara masoandrony ka tonga izy haka azy mban-janany sy ny onitra mifandraika aminy. Misy fotoana, am-bolana mihitsy tsy mahita olona. Matetika no ilaozana fotsiny ao ny tanàna, aleo aza tsy miteniteny amin’ny manodidina. Dia hoy ny havana « matokia an’Andriamanitra e, tsy misy maninona eo. Ny anjelin’i Jehovah miambina ny tanàna ».

Mba leon’ilay fanatsotsorana sy fanaovana vain-drahalahy tsy maharary aho. Tonga eo amin’ny fefy farany ny fanajana fa tena hoy aho : « eny tompoko, ny anjelin’i Jehovah hisakana ny olon-dratsy, ny anjelin’i Jehovah hampiditra ny akoho angamba, ny anjelin’i Jehovah tsy hahavanona ny afo handoro tanety na trano. Saingy ny anjelin’i Jehovah tsy hipaompy rano velively ».

Aorian’ny fanginana kely dia mamaly ny be finoana hoe « eny e, mba hahita olona mety amin’ny fotoana mahamety ».

Ka tsy misy idirany amin’ny fitobian’ny anjelin’i Jehovah izany ry havako fa dia kabary tsy valiana ny anareo !

Ny finoana dia tokony ho fitaovana hanentana antsika hiatrika fa tsy hanapempo antsika ho domelina.

00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: finoana | Comments (0) |  Facebook | | | |

1 2 3 4 5 6 7 8 Next