Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Tuesday, 20 February 2018

J'ADORE LA PLUIE

Izaho tia orana.
 
Izaho ilay tia nandefa lakana taratasy nasiako ny anarako eran’ny rian-drano.
 
Izaho ilay tia nanao soamaroroka ary tsy mba nanavy mihitsy tamin’izany.
 
Izaho ilay tia mitazantazana am-baravarankely na an-davarangana rehefa mijojo ny orana ary tsy mba natahotra varatra.
 
Izaho ilay faly be rehefa mitsatoka eo an-tongotro ny avana ao anaty erikerika.
 
Misy volon’andro tena itiavako mandeha mankany Antsirabe, rehefa manjombonjombona iny …
 
Saingy manjary matahotra orana aho ry zareo.
 
Noho ny fahaizana sy tsy fahaizan-draolombelona tsy voafefy sy tsy voafehy, dia mitatao ao an-tampon-dohako ny ratram-po sy ny tebiteby rehetra mety hateraky ny orana.
 
Rehefa avy ny orana, io rano be mangeniheny eran’ny lalana io dia mety hanafina lavaka be. Firifiry no nandeha tsy amin’ahiahy nefa natelin’ny tatatra tsy misarona, dia hita faty tany amin’ny kilaometatra maromaro any andria.
 
Rehefa avy ny orana, io tranon’olona nahazoana alalana na tsia mifanolo-bodirindrina amin’ny fonenako io, mety hirodana manontolo hanototra anay mianakavy. Firifiry no nikimpy mandrakizay tao anaty torimaso nentin’ny ranon-tany niravona.
 
Ny hazo amoron-tevana na tsia, ny vato mandondona an-taonjato maro dia tsy fantatra izay hidarabohany ka handripaka ny ain-dehibe sy hanorotoro ny taolan-kalevina.
 
Ny ampian-tany sy rindrim-bato niandrasana fiara fitaterana, ny tranoheva kely nialofana, mety hikoro ao am-babena amin’ny fotoana tsy ampoizina.
 
Ireo andrin-jiro mitsatotsatoka etsy sy eroa, rehefa tsy hiongana hikapoka am-parahatoka dia hanipy ny tariby hitono mpandalo amin’ny herin’aratra.
 
Sy ny sisa sy ny etsetra. Dia manjary matahotahotra aho rehefa avy ny orana …
Dia manjary satriko ho eo anilako daholo ny tiako rehetra rehefa avy ny orana …
 
Tsy handany andro hamakafaka ny andraikitra fantatra na tsy fantatra noraisina na tsy noraisina aho, fa izaho no maratra rehefa tonga ny loza, tsy mamerina ny lasa sy tsy mamelona ny maty ny fitsetserana sy ny hetsiketsika etsy sy eroa. Tsy ilaiko akory !
 
Tsy maintsy hihira ihany hoe ampianaro aho mba hiambina …
Tsy maintsy hivavaka ihany hoe arovy amin’ny ratram-po samihafa aho …
 
Satria mbola tiako ny orana ...

00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: la pluie | Comments (0) |  Facebook | | | |