Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Sunday, 30 December 2018

KITROTRO

Tamin’izahay mbola zaza, raha vao mandre ny ray aman-dreninay hoe voan’ny kitrotro na nendram-boalavo na donika ny zanaky ny havanay, dia entina any izahay « mba ho voa ». Satria fantatry ny ray aman-dreninay, fa misy aretina atao hoe « immunisant », ka toy ny vita fanefitra rehefa voany indray mandeha.

Amin’izao fotoana efa « mazava », heniky ny fandrosoana izao, dia indro fa mirongatra ity karazana aretina efa tokony ho fongotra ity, anisan’izany ny kitrotro. Aretin-jaza kokoa izy io, saingy ankehitriny dia manjary mahavoa ny olon-dehibe.

Dia hoy aho hoe :

-na tsy kitrotro izany

-na immuno-déprimé ilay olon-dehibe, izany hoe tsy ampy hery fiarovana.

Dia nizara an’izany eritreritro izany tamin’ilay dokotera namako mpiserasera tao amin’ny ministera aho, dia hoy izy : «aza manabe raharaha moa e ».

Hazavaiko anareo :                

Ny kitrotro, ny nendram-boalavo, ny donika dia aretin-jaza « immunisant ». Rehefa voa, na mifampikasoka amin’ny virus indray mandeha, dia tsy voa intsony. Na, atao vaksiny, na, voa @ mbola kely, dia mamokatra anti-corps ho azy ny vatana raha vao mifanena amin’ilay virus.

Ka tsy azo eritreretina raha ity toe-javatra iainana eto Madagasikara, no hoe hisy olona tena tsy nifanena tamin’ny kitrotro mihitsy. Ary ny olona « matanjaka » sy « àry tsara » dia tokony hahatohitra ny kitrotro, satria tena tsy nahafaty mihitsy izany taloha.

Izany hoe : mety tsy kitrotro ilay mamely io fa mitovitovy aminy fa virus hafa mihitsy (mba nanao virogramme ve ny ministera, ohatra. Toa « eny » no valiny, natao tamin’ny santiona vitsivitsy ihany satria … lafo).

Raha tena kitrotro no mamely an’ireo olon-dehibe voa, dia immuno-déprimés izany izy ireo. Izany hoe marefo ny système immunitaire (hery fiarovan-tenany) noho ny antony maro. Ny loza dia hoe noho ny fisotroana fahatany tambavy ohatra : ny karazana vonenina sy vahona dia immuno-suppresseurs (mamono ny sela sasany mpiandraikitra ny fiarovan-tena), …. Azo eritreretina koa fa mety mitondra ny tsimokaretina VIH mihitsy ….

Ka hoy aho hoe sao mba « épidémie d’immuno-déficience » no misy ??? Sao valan’aretina hafa no mampirongatra ny valan’aretina sasany ?

15:15 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: rougeole, épidémie d'immuno-déficience | Comments (0) |  Facebook | | | |