Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Wednesday, 01 August 2018

SAROTRA NY MANADINO (1)

I/ KUNG FU (1 sur 2)

"Mila olo-marina ity firenena ity! Manomboka amin'ny mpamafa lalana ka hatramin'ny Prezidan'ny Repoblika. Efa ratsy dia tsy maintsy foanana daholo!"

Tarigetra famerimberin'i Si-Fu (grand maître) Piera Be tamin'ireo mpianany rehetra izany, indrindra moa fa tamin'ireo Si-datsi (mpianatra nanolo-tena sy nahafoy tena ho an'ny Kung-Fu)

(...)

Herintaona taorian'ny fiverenan'i Si-Fu avy amin'ny Monastère iray tany Japon dia natsangany tao Behoririka ny Dojo zozoro. Hatramin'izày dia efa nampahatsiahivin'i Si-Fu foana tamin'ireo mpianany fa ny tanjona dia ho mpanao Kung-Fu daholo ny Malagasy rehetra na lahy na vavy, na antitra na tanora; satria ny Kung-Fu dia sady "art martial" (fiarovan-tena) no fitaizana sy fanabeazana ny olom-pirenena (civisme). Nanana organisation ny Kung-Fu ka nahatonga ny sasany hiantso azy ho Fanjakana kely anaty Fanjakana. Tsy nisomonga mihitsy i Si-Fu rehefa misy manao ny tsy rariny ary fantatry ny tontakely izany ka tsy sahin-dry zareo ny nanao vinany manodidina ity Fanjakana kely ity. Tao amin'ny Fokontanin'Ambatomainty, ohatra, izay nonenan'i Si-Fu, ny lamba mihahy hadino ny hariva dia tratra maraina.

Ireo mpianatra Kung-Fu izay nanao ny tsy rariny sy nirehareha dia nosazian'i Si-Fu mafy tokoa. Teny famerimberiny ny hoe : "Izaho tsy mi-blague; i Ratsiraka no mi-blague! ..."

Nanana hery (pouvoir) hafa kely koa moa i Si-Fu ka tsy mahagaga raha be ny mpianany no sitrany tamin'ireo karazan'aretina (maso, vavony, aty, eny hatramin'ny vato (calcul)) aza dia tsy nila fandidiana. Herin-tsaina fotsiny no nampiasainy. Ny tena mpanao Kung-Fu, ohatra, dia tsy misotro toaka sy tsy mifoka sigara satria afak'i Si-Fu.

Ny fanesorana ireo karazan-jioga ireo dia tsy nilàna fikasihana (full contact) akory fa resaka "méditations" ihany.

FANONTANIANA : be ny resaka fa i Si-Fu-nareo dia nanompo, nanao fanafody, na lolo, na vazimba, na kalanoro na tromba ... ohatra ny fakanareo "rano" tany Ambohimanga?

VALINY : Resa-be izany. Izay mahalala an'i Si-Fu dia mahafantatra tsara fa kristiana tokoa izy (protestanta) ary araka ny nampianariny anay, ny meditation rehetra dia tsy maintsy atomboka amin'ny concentration izay nakana sary an-tsaina an'i Kristy voahombo ... Tsy nifady na inona na inona i Si-Fu afa-tsy ny sakafo matavy be satria mahavotsa ny fanaovana "méditation" izany.

Tsy ny olona miantehitra amin'ny herin'ny maizina mihitsy no toy izany ...

Na dia henjana aza anefa ny fitsipika tao amin'ny Kung-Fu dia efa mananika ny 60.000 any ho any ny mpianatra (ndlr izany hoe 200 avo heny noho ny mpikambana ao amin'ny antoko politika sasany!).

Ny tarehimarika tao amin'ny boky tamin'ny faran'ny volana aprily 1985 dia nanondro ny isan'ny mpianatra tao amin'ny Zozoro fotsiny : 3423. Tao ny lahy, tao ny vavy, 6 taona no zandriny indrindra ary 62 ny zokiny indrindra. Mpianatra no ankamaroany. Tao koa ireo tonga hitsikilo fotsiny : ny RESEP, ny COSEP, ny DGID, ... nefa nisy tamin'ireo koa no tena vonona hanaraka ny Kung-Fu ary lasa nifampatoky tamin'i Si-Fu hany ka 6 andro mialoha (alarobia 24 jolay 1985) dia efa fantatra tao Ambatomainty fa mety hanafika hono ny miaramila.

Sabotsy 26 jolay 1985 : toy ny fanao isan-tsabotsy, dia nivory niaraka tamin'i Si-Fu (Piera Be) ireo Si-Datsi (mpianany efa gradés) dia ireto avy araka ny filaharany no midina : ny Sipe-ong (Bemavo), ny Apatsai-dong (Bemanga) ary ny Taoïtes (Bemainty). Tsy nisy nampiavaka azy tamin'ny fivoriana rehetra ity afa-tsy ... niantso Sipe-ong iray i Si-Fu dia nilaza taminy fa "mila resaka amin'Ingahy aho !!! ... (ndlr na "ise" na "ingahy" no fampiasan'i Si-Fu fa tsy manao "ianao" na "ialahy" ny mpianany mihitsy izy).

Resaka inona? ...

(Hitohy)

Gazety Ny ZOKO, lah. 89, oktobra 1990, tak.15.

00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: kung fu | Comments (0) |  Facebook | | | |