Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Thursday, 02 August 2018

SAROTRA NY MANADINO (2)

Tohiny sady farany (2 sur 2).

Ambatomainty, alakamisy 31 jolay 1985 : Asa na noho ny fahalalan'i Si-Fu mialoha fa hanafika ny miaramila, fa vitsy dia vitsy ny mpiambina tamin'io. Resaky ny "gardes" roa lahy tao amin'ny "châlet". Raha izao moa no manafika i Rafanja (fanjakana) ? ...

Aleo hiakatra eo hifanatrehana! (Tenin-dRainianjalahy io naverin'ny iray io).

23 ora sy 50 minitra : Nipoaka ny basy avy any atsimo. Rendremana ny mpianatra. Iray no nifoha tampoka sy nitazana teo am-baravarankely : ... Feno miaramila ny manodidina miaraka amin'ny jirobe. Lasa izy namoha an'i Si-Fu. Niato kely angamba tokony ho antsasak'adiny tany ho any ny tifitry ny tafika. Tao anaty trano dia nanome baiko i Si-Fu. "Samia maka ny "poste"-ny avy!". Tsy nisy resaka mihitsy fa samy naka ny toerana izy 128 mianadahy (vavy ny 8).

Be ny nihevitra tamin'ny voalohany fa mitifitra alika mirenireny ny Fivondronana satria tsy nisy mihitsy "sommation" araka ny voalazan'ny Fanjakana. Asa na tamin'ny fony na nitsapa ny fahatantesan'ireto mpianany fa hoy Si-Fu : "Noho ianareo dia tokony hitolo-batana ve isika?".Tsy nisy namaly ny mpianatra ... Mitohy ny tifitr'ireo "commandos" nohafarana avy any amin'ny RFI Diégo. Teny ratsy mamiafady sy ompa reny sy anabavy no nasesin'ny miaramila. Hoy ny feo iray re tsara : "miboaha tao r'ile amboa raza ireto!"

Voatifitra i Rasamy, étudiant en agronomie monina ao amin'ny 67ha. Izy no maty voalohany. Rafale no nitifirana ny tratrany sy ny lohany.

"Izaho no tadiavin-dry zareo fa aleo aho hivoaka", hoy Si-Fu.

"Tsia! Aleo izaho aloha no hivoaka aloha hibaboka sy hanangan-tanana", hoy Hery, mpianatra, lava ranjanana ary fotsy fihodirana mitovitovy amin'i Si-Fu saingy fohy kokoa.

Voataratry ny jiroben'ny tafika ny masony teo am-baravarana atsimo. Nisy niteny ny miaramila hoe : "Iny ilay Piera Be fa avy dia peho!". Lasa indray ny rafale. Nitolefika koa Hery. Roa izay ny maty.

Voa koa avy ao amin'ny lamosiny i Naivo avy eny Ambatofotsy. Telo izay.

Toa miankina amin'ny rindrina no fitazanana an-dRémi ao anatin'ny haizina. Nefa tsy miankina izany izy fa manary aina farany satria mivoaka ra ny vavany sy ny sofiny. Efatra no maty.

Voa koa Ranoro avy ao Tsiazotafo sy ilay be tsy miteny avy any Ambatondrazaka. Enina izay.

Nanampy ny isan'ireo maty koa  ilay mpianatra nonina teny amin'ny La Haute. Fito izay.

Tavela koa i Josoa avy any Itaosy sy Gervais avy ao Anjanahary. Sivy izay.

Ny fahafolo dia i Zôzô na i Ramahazonoro izay nonina tao Andravoahangy ambony.

Dia nitohy ny tifitra izay tsy nitsahatra raha tsy amin'ny 5 ora maraina any ho any, saingy ...

Tokony ho tamin'ny 1 ora tany ho any, nisy zavatra nipoaka mafy be tany ivelany (ndlr "obus" angamba). Tena mafy tokoa ka nikimpy daholo ny tao an-trano manodidina an'i Si-Fu. Ohatra ny hiainga mihitsy ny trano... Vita izay dia nanokatra ny maso y ny rehetra tao an-trano. Tsy nisy naninona satria tany ivelany ilay "obus" (?) na dia akiky aza. Saingy ny nahagaga dia ity : TSY TEO INTSONY i SI-FU sy i JEANNOT (Bemanga) ... Nankaiza?

FANONTANIANA : Folo eo ho eo izany no maty nefa ny tarehimarika re toa be noho ireny?

VALINY : "Marina fa be noho ireo tokoa no voalaza noho ny antony roa. Voalohany, nisy ny matin'ny balle perdue, izay tsy mpanao Kung-Fu mihitsy toy ilay lahiantitra manao malabary mihinam-paraky. (Tsy misy Si-Datsi mihinam-paraky mantsy na iray aza); faharoa, ... Ny Fanjakana matetika tsy mahay manisa ... sady asa fa toa tsy dia mahay mitifitra satria bala ange izany nataon'ireo escadrons 16 fafy katrana tao izany. Afa-tsy ny blindés-n'ny Régiment d'Appui et de Soutien avy ao Ampahibe ..."

Efa mazava ny andron'ny zoma 1 aogositra 1985. Resy tsy niady ny Kung-Fu nefa ... alohan'ny hivoahana hitolo-batana dia nianiana tamin'ireo namany maty ny sisa velona fa raha mbola velona foana dia tsy maintsy mamaly faty ny ran'izy ireo tamin'izay tompon'andraikitra rehetra tamin'iny.

An-doha daholo ny tanana sady nivoaka tsirairay. Ny sasany mbola nahatsikaritra fa no T 9045 ny iray tamin'ireo blindés. Ny sasany nitadidy ny endrik'ity miaramila toa romotra miteny hoe : "Tsy mila olona velona letia â!".

ANKAMANTATRA : tenin'iza àry izao ry mpamaky : "Modia Ingahy fa tsy maharaka ny diako! Avy any andrefan'Iarivo Ingahy ka any ihany aleha!". Dia lasa tokoa ity nasaina nody ... Nalahelo sady tsy sahy nitodika nijery an'ity mpaniraka azy.

Anampiana anao mpamaky dia :

1)-manodidina an'Imamo io "andrefan'Iarivo" io

2)-ny alahady 3 aogositra 1985 no nisian'io resaka io

3)-tany amin'ny 130km tany ho any avy eto an-drenivohitra.

TAO ANTANANARIVO : Hoy ny miaramila : "Jereo tsara ity sary ity! Na tianareo na tsy tianareo dia tsy maintsy ekenareo fa Pierabe, Pieraben'ialahy isany io maty io".

Izay mpianatra rehetra nijery dia nahatsapa 100% fa tsy i Si-Fu io. Tsy misy itoviany aminy mihitsy na endrika na bika na volo na vahana. Hany mba itovitovizany kely dia manao botte lava ilay razana (ndlr botte miloko mavo manasa-dranjo mantsy no fanaovan'i Si-Fu).

Roa volana taty aorian'ny nahafatesan'ireo mpanao Kung-Fu vao nomen'ny Fanjakana ny havany ny razana. Tao anaty vata be mavesatra tokoa ary dia noterena fotsiny izao hoe : "io ny anareo!". Nefa be no nahalala fa nisy tsy havany no nomena azy. Ny manan-janaka mainty ngita volo, ohatra, dia nomena razana fotsy fihodirana tso-bolo. Na efa simba aza mantsy ny razana, roa volana aty aoriana, ny volo tsy mba lo ary misy ahafantarana ny fihodirana ihany.

Na dia vita teo aza ny "fanjakana kely tao anaty Fanjakana" natsangan'i Si-Fu (Rakotoarijaona Pierre Mizaël) sy ny vadiny, (Ramatoa Razananirina Samuëline) dia tsy maty sy tsy hadinon'ireto sisa velona ny adidiny. Ny voadim-balifaty natao mantsy dia natao tamin'ny fo. Sarotra ny hanadino an'iny alina mainty iny. Eny, hatramin'i Fenitra, zanak'i Si-Fu, lahy vao 4 taona izy tamin'io, dia efa nanomboka nahatadidy iny alin-dra iny ... SAROTRA HADINOINA INY ALINA INY HO AN'IZAY NIAINA AZY! ...

II/ NY FITSARANA TAO AMBATOLAMPY

Martsa 1988 (alahady alohan'ny fiantombohan'ny Fitsarana) : tonga vahiny maro be Ambatolampy. Mpanao gazety, mpanara-maso, mpisolovava, vavolombelona (anisan'izany ireo notondrotondroina fotsiny) ary ny havan'ireo 245 mianadahy voampanga, izay tsy ampy taona ny 45.

5 ora 30 minitra hariva : hoy ny "mégaphone" : "Antso ho an'ny mponina rehetra. Tsy azo atao ny mandray vahiny na olon-tsotra ianareo na hotely. Izay tratra mandika izany dia hiharan'ny lalàna!". Hatramin'ilay hotely vazaha tokana tao Ambatolampy aza no efa nohafaran'ny zandary an'io fandrarana io.

Nangatsiaka tokoa ny tompon-tany sasany, indrindra fa ny mpivarotra, tamin'ireo vahiny satria efa naely taloha ny tsaho fa mpamono olona ny Kung-Fu. Soa ihany anefa fa nisy ny tsy nandairan'ny TSAHO.

FANONTANIANA : Baiko avy aiza izany? Lalàna inona izany tsy mamela handray vahiny izany? Hay ve azo atao ihany ny manely tsaho e!

(...)

Zoma nivoahan'ny didy : Tsara ny andron'Ambatolampy ary manga dia manga sy madio ny lanitra.

5 ora sy 20 minitra hariva. Alohan'ny hivoahan'ny didy ... Poa-baratra tokana mafy dia mafy nanapaka ny jiro.

VITA ny Fitsarana nefa SAROTRA HADINOINA INY 2 TAONA SY TAPANY NITAZONANA INY HO AN'IZAY NIAINA AZY ! ...

Gazety Ny ZOKO, lah. 89, oktobra 1990, tak. 15-16

00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Comments (0) |  Facebook | | | |