Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Saturday, 15 July 2017

FRANC MOFOGASY

Izany no fanarabiana nanalavàna ny hoe FMG, ventim-bola gasy tamin'ny fotoan'androny.

Novaina ho Ariary izy io tany amin'ny fiandohandohan'ny taona 2000 tany. Mba mizara dimy ahay ilay sanda miohatra amin'ny iraimbilanja na 1FMG. Fa efa ho roapolo taona aty aoriana, mbola misy tsy mahay sy tsy te hahay ariary ihany ny mponina eto Madagasikara.

Dia mahonena sy mampalahelo hatrany ny fitsingidin'ity sandam-bola. Ary vao mainka mampitsiky eto am-pamakiana ny anaram-bola fahizany. Mba hahafahana mividy inona intsony re izany variraiventy izany e ...

Indray andro, hono, ...

Fony faha-Andriamasinavalona sy faha-Andrianampoinimerina ary ireo mpanjaka samihafa eran'ny Nosy, dia saika tsy fantatry ny vahoaka izany hoe varotra izany. Fifanakalozana no fantany.

Nisy ihany vitsivitsy nahalala vola raha nifanerasera tamin'ireo arabo mpiavy na ireo eoropeana tonga nivarotra na nanakalo zavatra tamin'ny tompon-tany malagasy.

Dia niseho ny atao hoe vola, satria karazana volamena na volafotsy no ampiasaina.

Any ampovoan-tany dia ambara hoe Ariary ny 5 FMG, any antsiraka dia Parata, ohatra. Fa raha miohatra amin'ny Ariary, dia indreto misy santionany :

-LOSO, ariary zaraina roa : 2f,50

-SASANANGY, ariary zaraina telo : 1f,80

-KIROBO VAZAHA, ariary zaraina efatra : 1f,25

-KIROBO GASY : 1f,20

-IRAIMBILANJA, ariary zaraina dimy : 1f

-VENTY, ariary zaraina 6 : 0f,80

-LASITELO, ariary zaraina 7 : 0f,70

-SIKAJY, ariary zaraina 8 : 0f,60

-LASIROA, ariary zaraina 10 : 0f,50

-ROAVOAMENA, ariary zaraina 12 : 0f,40

-LASIRAY, ariary zaraina 16 : 0f,30

-VOAMENA, ariary zaraina 24 : 0f,20 na 20 centimes

-ILAVOAMENA, ariary zaraina 48 : 0f,10

-ERANAMBATRY, ariary zaraina 72

-VARIDIMIVENTY, ariary zaraina 144

-VARIRAIVENTY, ariary zaraina 720 !!!

-VARIFITOVENTY, voamena  zaraina efatra : 0f,05 na 5 centimes.

...

Mba firy € re izany e?

 

 

00:15 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: ariary | Comments (0) |  Facebook | | | |