Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Saturday, 10 December 2016

ANARANA ANGOTY

Anarana angoty no hatao resaka. Tsy ilay anaram-bosotra fanapempoana toy ny hoe Peta (petaka orona) na Bema (be marenina na be molotra) fa ilay avy amin’ny anarana mihitsy.

Dia afaka andro aho nandinika. Hay moa ka ity Billy na i Bill dia i Williams, i Robert dia antsoina hoe Bob na Bobby, i Marguerite dia Maggy na Margot, i James dia Jimmy, i Suzanne dia atao hoe Sue na Suzy. I Elizabeth dia Lisie. Ireo ny sasantsasany amin-dry zareo miteny anglisy. Anarana « angoty » tokoa e, mahafatifaty.

Ny hafa indray : antsoina hoe Kiki i Christian, angolaina hoe Bijou i Brigitte, i Nicole dia Nikki, sy ny sisa ihany koa. Nandinika ihany aho ka hitako fa rehefa hafohezin’ny vazaha ny anarana ifampiantsoana, dia avy any amin’ny lohany no tapahany : Phil i Philippe na i Philibert (fa tsy Ralipo na i Bera), Mick i Michel fa tsy i Sely.

Ny eto amintsika kosa tsy dia misahirana firy fa izay re farany no tononina ka tsy mitady lavitra. Bera daholo i Albert, Robert, Norbert. I Gilbert ihany no mba hoe Razily ; Line avokoa ry Pascaline, Angeline, Aline ; samy Tor ry Hector, Nestor, Victor ; samy Lety ry Juliette, Arlette, Violette. Ao koa ny Dety, ny Phine …. Rehefa tena manahirana dia averina indroa fotsiny ny voan-teny voalohany ka Zeze jiaby ry Gérard sy ry Jérôme ; averina indroa izay hitsin’ny vava ka Nônô daholo ry Bruno sy Honoré ary Arnaud.

Hafa kosa ny fandehany raha ny tompon’anarana no mamorona ny « anarana kely » tiany hiantsoana ny tenany : mba hoe José i Joseph fa tsy Zefa, mba hoe Jolie i Zoly.

Matetika koa ny tena no diso hevitra raha mandre hoe Fôsy : mety ho i Alphonse io, mety ho i Faustin ihany koa ; i Dédé dia tsy azonao an-tsaina fa mety ho Didier na Jean de Dieu. Iza moa no hanampo fa ity hoe Mà ange ka i Armand fa tsy i Martial !

Ka aleo mba maka toky ihany amin’ny tena anaran’ny olona sao telo taona nifaneraserana vao mahafantatra fa hay Richard no izy fa tsy Bombah !!!!

 

10:30 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: jinjany kely, rondro h régnier | Comments (0) |  Facebook | | | |

Previous 1 2 3 4 5 6 7 8 9