Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Saturday, 10 December 2016

FAMELAN-TSAZY

Tapatapaky ny volana jiona.

Tsikaritry ny tompon-trano fa mihena an-toerana ny entana. Toa tampotampoka ny filaminan’ny trano sy ny tanàna : tsy misy fakofakon-javatra tazana intsony. Tsy nankaiza ireny fa naondrana ho vola satria betsaka ny mpanao antso avo mividy fatim-by sy plastika. Ny entana hafa moa dia mazava ho azy ny lalana nalehany satria iretsy « fako » aza misy mpandray. Tsy lazaina intsony ny « mpanakalo », ny mpividy tavoahangy sy ny kapoaka ary ny vilany loaka. Fa nisy koa ny zava-tsarobidy hafa izay tsy hita.

Sendra tsy nifanaraka tamin’ny fizaràna tombontsoa ireto mpiasa roa lahy ka nifanitsoka. Nanao ny ainy tsy ho zavatra ny zandary tamin’ny famotorana ary hita fa tena jiolahy sy manana andia mpiara-miombona antoka ireto mpiasa. Ny kaominina iray manontolo no efa fanaovany « opération ». Ny tombam-bidin’ny fahavoazana tao amin’ity tokantrano dia an-tapitrisany. Izay no fantatra, fa izay efa « voakarakara » rehetra tany dia tsy hay.

Niakatra fitsarana ny raharaha. Avoavo fiteny fatratra ny fianakavian’ny mpangalatra fa « tsy maintsy tafavoaka ireo ».

Vetivety ihany dia nivoaka ny didy : enim-bolana an-tranomaizina. Saingy vao niditra roa andro tokoa angamba dia nivoaka soa aman-tsara satria nahazo famelàn-tsazy. Midingin-drambo tanteraka.

Hay, hono, ray olona misy fotoana tsara fanaovana « opération » mba tsy hijanonana ela any am-ponja. Ny manakaiky fetim-pirenena sy taona vaovao io fotoana io fa eo no vokatra ny famelàn-tsazy. Samy naheno izay an !

 

Bozy Boleta

in Jinjany Kely, Midi Madagasikara (2006)

 

11:15 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: jinjany kely, rondro h régnier | Comments (0) |  Facebook | | | |