Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Saturday, 01 November 2014

TOHIZO FA TIAKO BE IZAY HIRA IZAY

Inty indray ny tantara mahafinaritra rankizy. Tsy mampatahotra ity fa tonga dia vonoy daholo ny jiro.
 
Taona vitsivitsy lasa izay, ny atao hoe fikambanan-behivavy tany am-piangonana dia ivondronan’ireo ramatoa efa nahazoazo taona, fara faha-tanorany dia efa manana vady aman-janaka. Mpikarakara tokantrano ny ankamaroany, na miasa an-tena, na efa misotro ronono, na mananontena. Izay manana antom-pivelomana hafa, dia mpampianatra miasa tapak’andro, na mahazo andro avy niandry raharaha, na fonksionera mingitringitrika … Ireo zanaka aman-jafy mpanaraka, noho ny antony samihafa, dia mihenjy eran’ny tokotanim-piangonana mandritra ny fotoam-pivoriana, isaka ny talata tolakandro.
 
Izaho ilay mpiaraka matetika tamin’i Neny satria tsy misy azo anankinana ahy rehefa tsy mianatra, ary miditra ao anatiny aho fa tsy hitako izay lalao azo atao eny ivelany. Sady nahafinaritra ahy foana ny zavatra rehetra natao tamin’izany : taozavatra, sakafo izay iarahana homana rehefa avy eo satria sain-kanina ihany koa aho (!), sarimihetsika, hira, zavamaneno, resadresaka, …
 
Mifampizara fahalalana ny samy mpikambana, na manasa olona manana talenta manokana. Na ireo fampianarana Soratra Masina aza dia tena tsy nankaleo ahy mihitsy satria i Pasitera dia tena nahay nitana ny fifantohako foana. Ankoatra ny asako atao hoe mananty rakitra sy manisa olona, dia nanana andraikitra hafa aho, ary tena tiako ilay mba hoe ilaina.
 
Amin’ny roa ora sy sasany no fidirana. Mitangorona eo am-pototry ny zakarandahy lehibe ireo vehivavy miandry lera. Ary mahita horesahina hatrany. Avy aty amin’ny varavaram-be fidiran’ny besinimaro ao am-piangonana io. Izahay ankizy madinika no mpamoha ny trano, avy any aloha, hitsin’ny alitara, miditra ao amin’ny trano fisainana. Alaina ao amin’ingahy Ramanoelina mpiandry tanàna ny fanalahidy, dia hazakazaka zato metatra sy hiakiaka ny anay avy eny aloha indrindra ho eny afara misy ny varavarana. Maizimaizina tsara ao an-trano. Manalokaloka daholo ireo andry lehibe. Ny eny amin’ny vodi-fiangonana dia tena maizina tanteraka satria tataovan’ny rihana misy ny orgue. Mandondona be koa io zavamaneno be io, miaraka amin’ireo tafoforana sy tahotahony mijoalajoala. Ireo fitaratra marokoroko milokoloko mena, manga, maitso, mavo toy ny fahita amin’ny katedraly no mba manome hazavana kely. Ny hany fanaka ao am-piangonana dia dabilio sy harmonia iray eo anoloana amin’ny ilany atsinanana ary famantaranandro lehibe mitaitaika toy ireny amin’ny sarimihetsika ireny. Indraindray misy vorona misidina tampoka avy any an-tranon-dakolosy any ka horakoraky ny hatairana no ataonay, mifamikitra eo afovoan-trano, vao manohy ny fanenjika hamoha varavarana.
 
Falifaly ry vehivavy, afa-draharaha ingahy Ramanoelina satria sendra zaza « hendry » toa anay … Raha mba fantatrareo mantsy.
 
Henoko ny resaka teo am-pototry ny zakarandahy. Misy matoatoa, hono, ao am-piangonana. Ilay izy mihidy iny, ka vohaina avy any amin’ny trano fisainana, dia indro misy olona eo amin’ny dabilio afovoany, itony ilay miondrika mivavaka raha vao tafiditra an-tranon’Andriamanitra. Indraindray, misy antoko mpihira ankizy vazaha madinika mihira eny amin’ny rihana akaikin’ny orgue. Raha vao pika (œillet), hono, ny voninkazo amin’ny vazy, dia tangotangosan’ilay Ratompokovavy vadin’ny Mpitandrina tao fahiny …
 
Indray andro, hono, nianatra nitendritendry harmonia tao ny zanak’ingahy Ramanoelina. Somokotra tsara niondrika teo. Sendra nitraka, ka indro teo ankaviany, nisy vazahavavy nijoro nitehina tamin’ny sisin’ny harmonia, nibanjina azy. Nitsangam-bolo ny anaolahy, saika hirifatra hivoaka, saingy hoy ilay vazaha tamin’ny tenin-gasy « tohizo fa tiako be izay hira izay ». Notendreny faran’izay haingana, hono, dia lasa nivoaka toy ny tsy teo izy, ary tsy mbola nanana hafainganam-pandeha toy izany teo amin’ny fiainany !
 
Nanomboka tamin’ny nandrenesako an’izay resaka izay, dia tena tsy nety namoha varavarana intsony aho, tsy nety nananty rakitra tany ambony intsony koa na amin’ny fotoana alahady aza, satria maizimaizina ao an-tohatra sady ao no fampirimana ny vatam-paty !

00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: matoatoa | Comments (0) |  Facebook | | | |