Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Sunday, 13 April 2014

HERINANDRO MASINA

Herinandro masina no iantsoana ny andro vitsivitsy mialoha ny andro Paska (Paka). Tato aoriana dia nanjary nasiana herinandro masina ihany koa mialoha ny andro Krismasy (Noely).
 
Mandritra izany dia maro ny fiangonana kristiana manomana fotoam-pivavahana manokana, amin'ny takariva, indrindra ny Alakamisy sy Zoma masina.
 
Na misy aza ny entim-pahazarana fotsiny mamonjy izany fotoana izany, dia efa dingana iray aloha ny fahazarana ka tsy ifanakianana.
 
Dia nentim-pahazarana ihany koa ity toeram-piasana, sampahon'ny orinasa eoropeana tantanan'ny olona iray mitonona ho kristiana mpitory ny vaovao mahafaly (évangélique). Tsy tao anatin'ny dinidinika rehetra nifaninanana hidirana tao ny hoe toeram-piasana kristiana ange ity izy! Fa isa-maraina nataon'Andriamanitra dia voriana hiara-miondrika hivavaka ny mpiasa rehetra. Zary lasa fotoana fampitam-baovao sy fanomezana tondrozotra ilay izy, izany hoe mody tsy ambara nefa obligatoire. Hay tokony handray anjara tsirairay hifandimby hitarika ny fotoana ny mpiasa rehetra. Sazy no miandry an'izay mafy loha. Sazy miantraika amin'ny karama horaisina, izay tsy omena tsy misy raorao fa tsy maintsy ampiarahana amin'ny fiche de paie ny fandrahonana, ny fanomezan-tsiny, ny latsa, ny eso. Toeram-piasana tsy famonjena voina io ka hoe mila mpiandry raharaha. Antontan-taratasy no kirakiraina.
 
Na alakamisy na zoma masina, na tolakandron'ny 24 décembre, dia maty masoandro vao misy mahazo mivoaka. Tsy horesahana izany atao hoe 29 mars, 1er mai, 26 juin. Mainka fa izany 8 mars, lundi de pâques, ascension, lundi de pentecôte, assomption, 1er novembre. Ireo "la pont" dia hadinoina. Tsy hasiana adihevitra izany sao ho voatondro fa entin'ny hakamoana miady varotra andro tsy hiasana eo!
 
Saingy tsy aritro fa mahatsiaro aho. Toeram-piasana iray hafa, orinasam-barotra indray kosa. Izany hoe ny vola maty no miantoka ny fiainan'ny besinimaro. Izany hoe raha mihidy ny tsena, dia misy vola tsy miditra. Fa tsy nampiasa sabotsy io toerana io satria mba mila fotoana ho an'ny tenany sy ny fianakaviany ny mpiasa, hoy ilay tompony izay tera-tany vahiny mbola tanora tokoa.
 
Manaraka finoana hafa izy io. Tsy kristiana mihitsy. Maro hanina fadiana, fa tsy nisakana velively an'ireo mpiasa hihinana izay tiana hohanina tao amin'ny faritry ny toeram-piasana.
 
Ary mahatsiaro tokoa aho, fa isaka ny herinandro masina toy izao, dia ajanona amin'ny efatra ora tolakandro ny asa rehetra. Mirava. Tsy nisy nangataka an'izany, fa fanapahan-kevitr'ilay tompon'ny orinasa samirery.
 
Velona ny fanontaniana : "dia mihena ve ny karama Ramose? rahoviana no honerana ny ora banga? Miala amin'ny congé ve? ..."
Mamaly tsotra Ramose : "Mais non, mandehana lamesa izay mandeha lamesa !"
 
Tsy kristiana Ramose.
Dia mba mahatsiaro aho ...

08:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: laika, herinandro masina, pharmadiff | Comments (0) |  Facebook | | | |