Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Wednesday, 19 February 2020

MIJANONA HO FANONTANIANA

Alarobia antoandro amin’ny iray ora, ilay mangingina tsara iny, dia nahatsikaritra olona roalahy teo anaty alan-kesika ambonin’ny tranonay, ny mpiara-monina teny am-pita. Matetika ihany moa no misy olona mandehandeha eny, satria saha tsy mifefy, fa fantatra ihany kosa hoe manan-tompo. Misy mpaka vilona eny, misy mpiandry omby, misy mitsindroka holatra, misy mampiaraka ihany koa. Ny mandoto sy manimba ary mandoro no tsy tianay, nefa na izany aza, efa tsy mandry ny tany, ka tsy fantatra intsony ny mody adala sy ny miteti-dratsy ; tsy mora ny hanavaka ny diso lalana sy ny mpijery taratra. Nisarika ny sain’ny teny am-pita ny fahelàn’ny fipetrapetrahana sy fanaovana asadia teo amin’ilay toerana, efa ho adiny iray mahery. Nampiahiahy ny fihetsik’ireto olona roalahy, izay toa mifanome toromarika, toa manondrotondro, toa manao famerenana hoe izao no hatao raha izao. Natahotra ihany koa ilay mpijery hoe ny teo aminay ve no nokasaina hanaovan-javatra, sa ny teny aminy, satria dia naka toerana avo tsara mahatazana ny rehetra mihitsy ireto olona, ao anaty alokaloky ny ravin-kesika, tsy hita raha tsy tena mandinika. Tsy mbola nanaitra anay, izay mandry fahalemana, ry zareo, satria mbola nieritreritra ihany koa sao mba olona ao aminay ihany ireo. Farany, dia nojokoiny ary dia tratra teo am-pivoahana ny tanàna. Tsy nandositra, satria vao mainka hanasaro-javatra raha hitsofana kiririoka eo, ka dia ho fitsaram-bahoaka. Izay vao niantso anay ireo mpiara-monina. Niara-niandry ny manam-pahefana teo am-bava lalana. Nandeha teo avokoa ny fanadiovan-tena, ny tantara samihafa tsy mandeha ilalana, ny anaran-tany any amin’ny tsy izy,  ny fiantsoana an’Andriamanitra, ny fiangaviana, ny fitanisana fa mbola kely ny zanako … Rehefa natao ny reconstitution, dia tena mazava be fa nisy fikasan-dratsy : nisy lozoka izay tena tsy noeritreretinay mihitsy hoe hitsofohany, ary raha olona « vahiny » dia tsy hivantana ao velively. Santionany izay, fa niaiky moa izy hoe « saika » hangalatra akoho. Tsy tany amin’ny toerana nisy akoho anefa ry zareo no nihaodihaody. Ka asa na nampandry tetika ny hamelezana ny trano, tamin’iny fotoana iny ihany, na amin’ny manaraka. Ny fitafiana moa dia ilay misy satrony atao hoe capuchon, sady manao kasikety ihany, dia mibaby kitapo an-damosina misy akanjo iray hafa loko, mety hoe hisoloana, ka ianao hanenjika olona miakanjo mavomavo nefa olona manao akanjo maintimainty no mifanena aminao …

Eo amin’ny commune dia misy poste de gendarmerie sy commissariat de police. Fa ny ankabeazan’ny olona dia niteny hoe « ao amin’ny polisy entina ». Nahoana ? Fanontaniako voalohany izay.

Mpangalatra.jpg

 

Olona efa fantatra tao amin’ny commissariat ilay izy, efa mpamerin-keloka. Halatra dokotra hono no niakarany tao farany. Saingy « tsy misy mitory », dia afaka ihany. Satria tsy misy mitory, na miaiky eo anatrehan’ny mpitandro filaminana aza, na tratra am-bodiomby aza. Dia avotsotra. Nahoana ? Fanontaniako faharoa izay.

Hametraka fitoriana ve ianareo ka hampakatra ny raharaha, hoy ilay polisy. Nisalasala izahay, noho ny antony maro izay azonareo an-tsaina ihany. Fa nanohy ingahy polisy hoe « ka io na tsy hitory aza ianareo dia tsy maintsy halefan’i kômisera satria tsy vao voalohany izao ». Rehefa fanimpiriny no « tsy manaiky Rasefo » ? Fanontaniako fahatelo.

Betsaka ny olona, indrindra ireo mpandala ny zon’ny olon-dratsy, no milaza hoe aza dia sarotsarotiny fa ataovy raharaham-pihavanana. Feno an’ireny ny fitsarana nefa zavatra tokony ho vita eo anivon’ny fokontany. Ahoana moa no haminaniana fa heloka madinidinika sy hijanona ho madinidinika ka ho vita eo anivon’ny fokontany ? Fanontaniako fahaefatra.

Raha dia atahorana ho hipoka ny fonja izay efa tsy ampy, sao mba tokony hovaina hoe Fonja avokoa ny « toeram-panarenana » rehetra atao hoe sekoly sy fiangonana ? Fanontaniako fahadimy io.

 

18:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Comments (0) |  Facebook | | | |