Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Friday, 14 February 2020

ASIANA HOE NAHOANA

Niteraka resa-be ilay « mpivady » natao hoe Fana sy Tahisy. Tsy fantatro tsara ny tantara, fa hoe maty niteraka ilay ravehivavy. Toa olona namelatra ny fiainam-pitiavany sy fiainan-«tokantranony» eran’ny Facebook izy ireo. Ny sary vitsivitsy avoaky ny olona, sary mitantara mivantana ny fijaliana nentin-dravehivavy, no nahitako fa tena mbola tanora loatra izy roa. Ny endrika, ny fiteny, ny firesaka, ny fihetsika, dia ahitana an’izany. Tsy fantatro ny antsipiriam-piainan’izy ireo talohan’ny nikambanany. Fa ny fijeriko tena ivelany, dia tsy mifanentana izy. Raha ny fitsarako tena ivelany, dia tsy misy fahamatorana mihitsy ihany koa, indrindra fa ity tokony ho loham-pianakaviana.

Efa rano raraka ny azy, tsy hanova inona aminy ny latsa sy ny « tokony ». Fa ho an’ny manaraka kosa no mba izaràko an’izao hevitro izao.

Ny Vazaha no miteny hoe « l’habit ne fait pas le moine », fa ny Gasy dia nahay hoe « arakara-tarehy, voa-javatra ». Ny Gasy dia nilaza hoe « ny vady, jerijery ». Ny Soratra Masina, ho an’ny Kristiana, dia miteny hoe « aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hitambatra amin’ny tsy mino ». Raha misy ny fiheverana hoe « ny tarehy ratsy tsy azo ovaina, fa ny fanahy ratsy azo ovaina », dia mitombina izany ny hoe « azo ovaina ny fanahy ». Mety hiova ho ratsy ny fanahy tsara naseho fony hambabo olona anankiray, rehefa azo izy. Ka izao no izy raha fanambadiana no resaka.

1-Tsy handrasako ho vonton’ny fampianarana any ivelan'ny trano ny zanako vao hiezaka hanitsy azy aho hoe izao no tokony hatao. Vao eo ankohonako izy dia vontosako anatra hoe « izao anaka ny soatoavintsika ». Io no valin’ilay hoe « nahoana ». « Tiako fotsiny, tsy asiana hoe nahoana ». DISO.

2-Rehefa fantatray mianakavy ny « mety » aminay, dia halavirinay izay rehetra « tsy mety » aminay. Ifanampianay izany, ifampahatsiarovanay tena satria « ny ela maha-iray roa » ; ny fahazarana, mahajambena.

3-Tsara ny manana ny sori-piainana hatao lalàm-panorenan’ny tokantrano hatsangana. Izay olona mety hifanaraka amin’ny andininy maromaro amin’izany no ekena ho vady.

4-Matoa hoe « tokantrano » no anarany, dia mitokana, mahaleo tena. Tsy hoe inty ihany aho zanakareo ry dada sy neny, fa nampiditra olona hanao firaisana ara-nofo amiko ato ambany tafon-tranonareo fotsiny!

5-Ny fahaleovan-tena dia ara-bola, ara-panapahan-kevitra, ara-pikasana. Ny fanekena ny fitsabatsabahana madinidinika ao amin’ny tokantrano no mitarika ny fanjanahana ataon’ny eny ivelany. Manomboka amin’ny fampirisihana « bisous ! bisous ! » amin’ny fotoana fampakaram-bady izany, mitohy amin’ny fanomezan’ny ray aman-drenibe ny anaran-jaza, mitatra amin’ny fanaovan’i dadabe sy nenibe nounou an’ny zafikely.

6-Ny tokantrano tsy ahahaka. Tsy ahahaka ao anatiny. Hoy ny Ntaolo hoe « aza matoky fitiavana ka hitanjaka imasom-bady ». Ny marina rehetra tsy fambara vady, na inona na inona heverina fa lanjan’ny fitiavana. Mba ampiasaina koa ny saina. Hajaina ny tsiambaratelom-pianakaviana. Tsy misy voadidy hamboraka ny zava-drehetra momba ny tena amin’ny vady; ary indrindra tsy ahahaka eny ivelany ka ny tena ihany no mitantara ny antsipiriany rehetra eny an-tanàna, eny an-tsena, eny amin’ny fianakaviana, eny amin’ny tambazotran-tserasera hitan’izao tontolo izao … Ny zava-tsarobidy tsy mba asehoseho fa dia gaga amin’ny olo-mitanjaka imasom-bahoaka aho !

7-Tsy toe-tsaina pempo sy mioman-ko resy no entina miditra ao amin’ny fanambadiana. Sanatria toy ny olona lany tandrify ka mivoady hiforitra mandra-maty ao satria zara aza nisy mpandray. Tsy endrika tena ratsy no omena ny fanambadiana : fihafiana, fandeferana, …  Mahagaga Ramalagasy fa sady milaza hoe ny anambadian-kiadanana no manamafy fa fihafiana io. Ny Gasy ihany no mahita fiadanana ao anaty fihafiana. Tsy vokisana hamafisan-doha koa anefa ny olona satria hoe mitovy zo, aza manaiky … Na hoe mahaiza mionona dieny mialoha fa ny lehilahy ka lehilahy ihany, ny havam-bady ka fianakavian’i Satana …

8-Mila mandini-tena ny ray aman-dreny fa tia tena loatra : ny voninahiny ihany. Mahamenatra fa lany zara ny zanako fa efa X taona tsy mbola misy mandom-baravarana. Aleo manambady an’iny na mifanalavitra be amintsika aza amin’ny lafiny Y sy Z fa « hiadana » ianao …. Hatao inona iny sarim-bavy be tsy miteny iny fa aleo i A mba « bandy », tena hoe « lehilahy » sady mi-debra …. Hatao inona iny masera be iny fa i B mba mihetsiketsika sao ny vadinao no ho ratsy indrindra amin’ny cousin-cousine …. Aleo hatao ny raharaha fa hibontsina be eo io kibo io ka afa-baraka ao am-piangonana izahay, tsy maninona na tsy miasa aza izy fa mipetraka ato aloha ianareo …. Tena aleoko mahita anao miteraka tsy manambady toy izay hanam-binanto an’iny … Tandremo misaratsaraka eo fa henatra be ho an’ny fianakaviana izany …

9-Ry vehivavy, indrindra indrindra. Raha mahatsapa io olona io fa tena tsy sahaza anao, nefa ianao dia tena mandady tongotra aman-tanana aminy, mamoy ny zava-drehetra noho izy … Amin’ny 5% n’ny tranga izy no mety hitsetra anao ka hamaly fitia kely angamba. Fa amin’ny 95% kosa, dia ho fadiranovana ianao ary ny anao ihany no hanajany anao !

Iomanana tompoko ny fanambadiana. Raha handray mpiasa aza, ijerena karazana mason-tsivana, mainka fa « vady » irina hifampizaràna ny « fiainana », kasaina hifampizaràna « taranaka » !

SWEAR1.jpg

Tsy tiako fotsiny ianao fa tena misy hoe nahoana, dia ilay nahoana mitoetra isaka ny vanim-potoana, mifanaraka amin’ny soatoavina naha-izaho ahy !

Rankizy, mba manàna teny faneva eo amin’ny fiainana !

00:15 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: tahisy, fana, fanambadiana | Comments (0) |  Facebook | | | |

1 2 Next