Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Monday, 20 January 2020

INONA NO ASANAO? MPITSIKERA

Mbola betsaka ihany ny dingana tokony holalovan’ity firenena ity, ary mahakely finoana satria tena mangotanatana loatra ny hady manasaraka amin’ny fahafahana mampandroso. Na tiana na tsy tiana, dia tsy maintsy miohatra amin’ny samy olombelona ihany ny atao hoe « mandroso », ary ny hevitry ny hoe haja sy hasina, iavahana amin’ny biby, dia tokony hitoviana na aiza na aiza eran-tany. Raha tsy hoe dia minia mikimpy. Satria dia betsaka koa aza ny fomba sy fanao noforonin-draolombelona, izay tsy ataon’ny biby, izany hoe iavahana aminy !! Ny biby dia tsy manambady ny havany, ny biby dia mahalala hoe ity lahy, ity vavy, ny biby dia miaro ny zanany. Misy biby tsy mihinana ny fatin’ny namany. Izay minia miady hevitra amin’izany no atao hoe manana mauvaise foi.

Misento aho mahita ny mpamonjy voina any an-tanin’olona ! Misento aho mahita ny miaramilan’ny olona. Misento aho mahita ny mpanao fanatanjahan-tenan’ny olona.

Tsy nosafidiana ny bika aman’endrika, aleo iny tsy hasiako resaka. Satria dia mahafinaritra, ohatra, ny mijery ny ankamaroan’ireo mpamonjy voina any ivelany : ranjanana, milamina, ary indrindra mahalala fomba. Ny ankamaroan’ny zaza vazaha, raha anontaniana hoe inona no asa hataonao rehefa lehibe ? Ny valiny dia hoe pompier. Miandahy, miambavy. asa,euphémisme

Tsy fidiana hoy aho ny bika aman’endrika. Fa fidiana kosa ny asa hatao sy hanoloran-tena. Ny an’ny mpiray firenena amiko, betsaka no manao asa anankiray tsy nahy. Betsaka no tonga tsy fidiny eo amin’ny asa ataony. Dia tsy mahagaga raha atao kitoatoa izany, satria ny vola sisa no manentana. Tsy dia misy faharesen-dahatra firy. Efa tsy ananana rahateo ny atao hoe lanjan’ny teny nomena.

Tsizarizary ny asa misy. Mahamenatra ny asa sasany. Satria tsy nisy fanomezan-danja loatra. Izay rehetra miasa ao amin’ny hopitaly, dia te hantsoina ho dokotera daholo. Izay rehetra miriorio ao amin’ny lapan’ny fitsarana, dia te hoheverina ho greffier fara fahakeliny, eny fa na dia mpanera aza. Izay rehetra mivoaka sy miditra amin’ny foiben-toeran’ny haino aman-jery, dia mihevi-tena ho mpanao gazety avokoa. Tena mila anaram-boninahitra loatra ny ankamaroan’ny olona, na dia tsy handraisam-bola aza izany. Mila « miseho » sy « mampiseho tena » aloha.

Dia nohatsaraina ny anaran’ny asa sasany : natao hoe agent de sécurité ny mpiandry tanàna ; natao hoe technicien de surface ny mpanadio trano ; natao hoe mpandraharaha ny mpi-bizna miandry toe-draharaha azo anararaotana ; natao hoe consultants ireo tsy an’asa mihaja rehetra manao an-tselika etsy sy eroa. Dia milamina ny saina. Dia mijanona ny ezaka.

Tsy misy rahateo toeram-panofanana ho teknisiana mahafehy karazana asa anankiray, manome mari-pahaizana mitovy lenta hatraiza hatraiza. Tsy misy fanasokajiana iombonana, hamaritana ny karama sy tombontsoa omena ny olona arakaraka ny fihofanana nataony sy ny traikefa ananany. Izay rehetra milanjalanja tsofa dia mpandrafitra ; izay rehetra misikotsikotra lalan-drano amin’ny vy maranitra dia plombier ; izay rehetra mandrangaranga torelina dia maçon ; izay rehetra manotrahotra dia massothérapeute ; izay rehetra mitaritarika vazaha any anaty ala dia guide touristique ; izay rehetra mitanisanisa toko sy andinin’ny baiboly dia pasitera, bishop, révérend, … ; izay rehetra manentanentana mariazy dia wedding planner ….

Sy ny sisa.

Entina anaronan-kenatra, andaminan-tsaina, ifanindriana aloka, ifamitahana ny anaran’asa tononina.

Mpanadio trano ity vehivavy anankiray. Amin’itony atao hoe externalisation. Société hafa mihitsy no manakarama azy hanadio toeram-piasana toy ny banky, hopitaly, orinasan-tserasera. Mpisolo toerana olona nandeha niteraka, mandritra ny roa volana, no nanirahana azy. Dia nanova karapanondro ny anaovavy, satria very hono. Dia nanova ny « asany » tao amin’ny karapanondrony izy. Natao hoe « mpiasan’ny Orange » !!! Dia anjaranao ny mieritreritra fa sady mety ho tale jeneraly izy, no mety ho mpiandry varavarana …

Samy manora-tena toa voatango. Dia simba ny asan’izay tena nihofana, satria mamono tsena amin’ny fifaninanana tsy ara-drariny ireny kitoatoan’olona ireny, mandoto rano amin’ny fitondran-tena tsy sahaza an’ilay asa.

Gaga ihany ny tena, olon-tsotra tena manana zavatra hatao sy hampiasana saina tokoa, nefa mahatsapa hoe aiza ny lesoka mila fanarenana. Gaga ny tena, hoe misy olona, toa tsy misy atao afa-tsy izany, izany no asany anakaramana azy, nefa toa tsy misy zavatra mivoatra. Fa inona ihany no ikaonan-doha etsy sy eroa, nefa état des lieux aza tsy vita ? Efa malaza fa ny famonjena pause-café no mafotaka, ny fiandrandrana perdiem no ao an-tsaina.

Variana mampandry adrisa amin’ny tolotolotra isaka ny mahatsiaro ny mpitondra. Dia faly ny « mpiasa » rehefa avy mifanaritaka miady an-kanina amin’ny fanomezana kely tsy mahavita taona.

Misoko ihany ny dridra. Lo ihany ny toe-tsaina. Mamahatra ihany ny hamafisan-doha tsy hanaiky fanitsiana intsony.

Raha sendra mba misy miady hevitra, dia mijanona amin’ny famakafakana misavoan-danitra ; mijanona amin’ny famoronana voambolana mampiseho ny halalinan-tsaina ; mijanona amin’ny antontan-taratasy narafitra ho boky matevina be.

Tsy misy asa atao ho an’ny asa mihitsy. Anaran-tsy very ny ministeran’ny asa, ny ministeran’ny fampananana asa. Anarana mipoapoaka.

00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: asa, euphémisme | Comments (0) |  Facebook | | | |