Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Wednesday, 15 January 2020

FEPETRA FOLON'NY MITADY MPAMELONA

Asa rey olona raha misy toeram-pampitana fahaizana manambaka any ho any. Fa raha izany no marina, dia efa tsara lalana mankany amin’ny fahaverezana ny taranaka malagasy. Tsy fantatro izay taranaky ny zanak’olombelona, fa ny taranaka malagasy no hitako, tato anatin’ny taona vitsivitsy. Olona malagasy no resahana fa tsy olona monina sy mivelona ao Madagasikara. Ary indrindra fa olona malagasy mitoetra ao Madagasikara.

Voalohany aloha, tena sarotra dia sarotra ny ahitana olona « hanampy ». Tsy boto na andevo, fa hanampy, ary hokaramaina araka ny lalàna manan-kery, hoentina araka ny maha-olombelona. Ankoatra ny toetran’ny tena, voajanahary, mora fo sy malemy fanahy, hentitra sy mahitsy, dia teo ny fitaizana sy ny fanabeazana azo, izay tena mba ireharehana tokoa. Ankoatra an’ireo, dia nihofanana ny fahaiza-mitantana sy fahaiza-mitarika, ary nananana traikefa an-taonany maro tsy nahitana olana teo amin’ny asa fivelomana. Ho sanatria ve hoe « mpaminany tsy masina an-taniny » ? Satria toa vanja may sy ampombo natora-kisoa avokoa izany. Satria tsy ahitam-pahombiazana intsony. Koa satria moa ny tena tsy niova nankany amin’ny fihemorana, niha-matotra aza, dia izay no ilazana fa nisy « sekoly » vao niorina tany ho any, namboly paikady vaovao. Koa satria tsy niova ny tena, dia ny hafa izany no niova, ary niova be.

Indro atoroko anareo ny fomba amam-panao sy toetoetry ny olona te hahazo toerana iray atao hoe « asa ».

1-ny tanjona dia fiadanana, izany hoe tsy fampijalian-tena

2-folahana hatreny am-piandohana ny mpampiasa. Takiana daholo izay tombontsoa fara fahabetsaka, izay azo dia azo ary tsy avotsotra intsony. Tena tanjona lehibe ny hiantohana sakafo masaka in-telo isan’andro, ny mihoatra tena tsy ferana

3-atao aloha izay hahatafidirana, tsy mandà mihitsy, tsy maneho hevitra, tsy manome toky na kely aza

4-izay voaresaka amin’ny fihaonana voalohany ihany no izy. Izay fanampiny any afara dia tsy raharahaina intsony. Araraotina jifaina izay azo arapaka sy aripaka rehetra dieny tsy mbola ahazoana fameperana, sao lany ny paiso an-kady.

5-fadiana ny milazalaza na mampisehoseho fahaizana zavatra hafa ankoatra an’izay raharaha idirana

6-lalaovina tsara ny olana ara-pifandraisana eo amin’ny teny ifampiresahana. Henoina tsara ny teny ampiasain’ny mpampiasa, ary raisina amin’ny hevitra itiavana azy. Raha manontany izy hoe manan-kohanina ve ianareo, dia sakafo no hevitr’izany fa tsy hoe manana vola azo ampiasaina amin’ny fivelomana ve ianareo. Ka ny manan-kohanina dia tsy mitovy amin’ny manam-bola. Henoina tsara ny teny ampiasain’ny mpampiasa, ary raisina amin’ny hevitra hany ahaizana azy, satria dia niha-nahantra teny amin’ny fiarahamonina hatramin’ny voambolana. Ny « ripaka » dia hoe dangin’ny hehy sisa no ahalalana azy. Ny « mampihomehy » dia tsy araka an’izay tokony ho izy no andraisana azy.

7-fantapantarina mialoha daholo izay hovantanina ka mety hahazoana tombony eo an-toerana mba tsy hisahiranana : izay hazo mipetrapetraka dia hatao kitay, izay vy mitonantonana dia hamidy amin’ny kilao, izay kitapo latsaka dia hotsindrohana tsy misy hataka andro, izay rehetra azo hanina dia hatao be am-bilany sy be am-bosika.

8-apetrapetraka mialoha ny fikasana hiera ao anatin’ny taona, toy ny fivoahana faran’ny herinandro, ny karazana fety mahavory vahoaka, na hifanotronan’ny velona io na hamiravirana ny maty

9-fadiana ny be resaka, indrindra mikasika ny fombafomba. Hampiasaina any aoriana izany, holazaina fa fadin-drazana izay rehetra tsy tiana hatao

10-raha olona roa no mpampiasa, dia atao izay tsy iresahana eo anatrehan’izy roa miaraka, mba hahafahana manilika hoe « hoy i …. ». Fidifidiana ny resaka hasiana vavolombelona mba tsy hahavoafatotra ny tena

Samia mandray an’izay tsy hahafatiantoka azy amin’izao famehezana izao, na eo amin’ny toeran’ny mpanambaka ianao, na eo amin’ny toeran’ny tsy te ho voambaka !

mpitady asa,

00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: mpitady asa | Comments (0) |  Facebook | | | |