Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Saturday, 02 November 2019

FETIN'NY MATY

Tsy entim-poana ny anarana, ary ny olona manam-pototra dia mahalala ny fomban-taniny. Efa ela no tsy nandevenana ny fasan’ny razanay, noho ny antony samihafa. Fa fantatro ny loharano nipoirana, hitako ny akany nahafoizana, ary haiko ny tarazom-pianakaviana. Ny ankamaroan’ny atao hoe fadin-drazana, dia azoko ny antony sy ny tantarany. Tsy nandova be mihoatra noho ny sasany « aho », fa voatsodranon’ny razako hanana hasina manokana kosa. Tsy hotantaraiko, ndrao hotainareo fady. Endri-pitahian’ny razako ahy, ny nitsofany rano ahy ka tsy ho afa-maina izay mampahory ahy, rehefa … isaorako !

 

1er novambra, hono, fetin’ny olo-masina rehetra. 2 novambra, fetin’ny maty. Samy maty avokoa ireo, fa misy ny masina, dia misy ny tsy masina.

 

Gaga anareo mankalaza sy mihoby fahalovana sy fahafatesana aho. Tsy manana antom-pitangoronana firy ankoatra ny eny am-pasana ianareo, na handevina ny vao maty io, na hamiravira ny sisan-taolana, na hihatsaravelatsihy hanatitra « fako » eny rehefa tsingerin-taona sy fetin’ny fanisana andro. Dia boalaka be ity fasanareo satria fady anareo hoe ny manadiodio eny. Azafady, fa tokotany toy ny tokotany rehetra io, ka ataoko anton-draharaha ny manadio na mampanadio ny fasan’ny hava-malalako isaka ny tokotokony ho betsaka ny ahi-dratsy, isaka ny tokotokony hohavaozina ny loko, isaka ny tokotokony havaina ny voninkazo. Satria voninkazo maniry no eo an-tokotanim-pasana (tsy « fasanay » satria izaho tsy mbola ao !) fa tsy tapatapaka voninkazo natsatoka anikeo ka halazo rehefa afaka tapak’andro.

 

Toy ny efa nataonao fahazarana, Andriamatoa, dia masiaka fatratra ianao « manohitra » ahy. Mody ataonao amin’ny feo iva, fa ataonao henoko ihany. Tsy misy mety aminao ny foto-kevitro sy ny fombanay. Fa nahoana koa moa no tokony hampitoviana ? Amin’ny anaran’ny inona ? Angaha mitovy ny rano nisehana ? Avelao ho kirihitra sy alaala ny fasan-drazanareo, tsy kitikitihana « fahatany » hoy ianao. Fa maninona ? Sao maka ? Nefa toa tsy nisakana azy tsy hitelina ny zanakao mbola herotrerony izany ? Tsy mba lavon’ny aretina ity izy fa dia matimaty foana, tsy naha-be vava sy be loha anao … Hoy ny Ntaolo : ny todim-paty, aza manody. Fa izaho angaha niresaka tody e ! Mba mahatsiaro fotsiny aho hoe rehefa mahay be sy tapi-pahaizana toa anao io, dia mba fantaro ny satria sy ny nahoanan’izay inoana, mba tsy hinoanoam-poana.

 

Dia tohizo ihany ny herisetra ara-pihetsika sy fiteny atao ahy, fa isaka ny hisaotra anao aho, dia hihantona eo an-tampon-dohanao ny kanontan’ny sentom-poko tsy afa-manoatra. Dia hijery anao anaty maso aho, fa hiondrika hijery ny tany ianao. Ny aina no matezà, Andriamatoa, fa ankehitriny aza ianao, tsy mahafaty eritreritra na hiboboka toaka isaka ny mandingana aza. Toa tsy mamy ny miaina …

 

Misaotra (t)amin’ny zavatra rehetra e !

00:05 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: misaora | Comments (0) |  Facebook | | | |

The comments are closed.