Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Saturday, 05 October 2019

IRAY IHANY IANAREO

Taorian’ny TAGNAMARO, dia izay indray no « hetsika » ataon’ilay hoe ministeran’ny kolontsaina. Tsy dia ilàna famakafakana lalina, fa hatreo amin’ny lohateny ihany, dia efa tsy mety amiko izany.

Iray ahoana e. Sady mampiditra no mamoaka ilay fitenenana hoe « mila ekena ny fahasamihafana, iray ihany isika ». Fa samy hafa isika sa samihafa sa iray e ?

Tsy takatry ny saina keliko hoe ahoana moa no hanehoana amin’ny fomba hita maso an’izany maha-iray antsika izany ? Amin’ny fifanambadiana faobe ? Miala tsiny aho fa tsy afaka hiray amin’ « izao rehetra izao ».

Hahomby kokoa ISIKA, raha samy manandratra ny HAJA sy HASINA any amin’ny vondrona samihafa sy samy hafa misy antsika avy, fa tsy hanao zafindraony sy safiotra tsy misy fefy etsy sy eroa, satria hoe te ho iray.

Dia miala tsiny fanindroany aminareo aho ry ministera, fa tena tsy mitovy foto-kevitra mihitsy isika hatramin’izao.

Tsy IRAY velively.

00:30 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: iray ihany isika | Comments (0) |  Facebook | | | |

The comments are closed.