Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Wednesday, 21 August 2019

VELOMA MANDRAKIZAY

Isaka ny misy fahafatesana, dia mitodika ihany ny saina mahatsiaro tsara fa mandalo izao fiainana izao.

Variana hatrany aho mahita ny fomba samihafa iatrehan’ny mana-manjo ny fisarahana an-tany. « Mbola hihaona » hoy ny ankamaroan’izy ireny. Deraiko ilay fahaizana manamaivana ny fahoriana amin’ny fifanomezana fanantenana fa tsy ho mandrakizay ny fifandaozana ; torimaso sy fialan-tsasatra ihany no hatao ao anaty fasana, ho an’izay atao am-pasana. Dia amboarina ny saina aman’eritreritra ho toy ny hoe lasa any an-tany lavitra fotsiny iny olona iny, fa mbola hiverina. Ary dia mino sy miandry fihaonana am-pifaliana, na inona na inona tsy nifankahazoana tamin’ny fahavelomana, teto an-tany. Aiza ilay hihaonana ? Tsy ho eto intsony izany, raha tsy hoe ilay anankiray nilaozana dia tsy mba handalo fahafatesana mandra-piverin’ilay nandao. Tsy mandeha lavitra amin’izany ny sain’ny olona.

Fa izaho, mamakafaka vao matoky ; mitsakotsako vao mitelina. Tsy mino fihaonana ifankahafantarana, aorian’ny fahafatesana aho. Ny fanantenana fotoana hahafahana manonitra, na hahazoana manohy, dia manome vahana ny kitoatoa sy fangatahana andro rehetra. Noho izany, ny tsy finoako an’izay fotoana izay, dia manampy ahy hoe hataoko tsara araka izay azoko atao ny eto, satria ny eto ihany no fantatro. Tsy mino aho fa ny lojikako eto dia hitohy ho azy aorian’ny fahafatesako, ka hahatadidy an’i dada na i neny aho, izaho ilay efa niraraka ompana sy nivoa-pofon’ny fahalovana iny.

Dia mba hanao ahoana àry ireo izay tsy mba nanana na iza na iza tety an-tany ?

15:15 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Comments (0) |  Facebook | | | |

The comments are closed.