Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Monday, 13 May 2019

MANAO FETY


Teny an-tanànanay fahazaza, dia manao « fety » izahay rehefa tsy mianatra. Mizarazara isaka ny vakim-paritra, ohatra hoe avara-dalana, ambony andrefana. Samy manana tarika, ary tarika iray ihany isaka ny vakim-paritra, fa tsy hoe Ambony-andrefana I sy II, toy ny hoe MAPAR I sy II sy III sy IV sy ny sisa. Dia mifandimby manao « fampisehoana ». Izay ilay hoe « fety ». Matetika « dihy mirindra » no atao, amin’ny hiran’i Cloclo sy Boney M. Tsaroako tsara mihitsy izany, fa raha nisy naka sary mihetsika sy feo, dia tena ho nampihomehy be tokoa. Ka sary tsotra aza moa tsy nisy. Tsy nisy zavamaneno loatra satria bedy raha mamoaboaka zavatra avy any an-trano. Ny lambam-pandriana sy ny lamban-databatra aza, efa raharaha be. Nasiana lampihazo misy ridao mantsy. Herinandro no anomanan’ny isan-tarika ny anjara fampisehoany. Ary tena nadio ny fo sy ny lalao ! Tsy misy vola mandeha eo, tsy misy fandaniana mihitsy e. Indraindray misy olon-dehibe mijery ihany, satria mbola vitsy ny reny « niasa » tamin’izany. Tao aoriana kokoa vao nisy nilalao tantara kely sy nanao filatroana kely. Fa nadio ny fo sy ny lalao. Tsy niteraka fifampiandaniana tamin’ny samy ankizy mihitsy izany, satria tsy dia tsaroako loatra hoe iza no nandresy an’iza.

Ny « tantara » nolalaovina dia tena nampihomehy raha amin’izao no iverenana. Fa tamin’izany, dia tena « tsara » taminay. « Fety » tena tamin’ny fikarakarana farany ambany sy tsy nisy mpitantana no natao. Avoavo kokoa indray ny lenta rehefa ilay any am-piangonana, amin’ny tolakandron’ny noely. Efa misy mpampianatra sekoly alahady na tanora zokiny miandraikitra tsinona. Fa tsapako ihany ankehitriny ny lafiny mahatsikaiky tamin’ireny. Tena amin’ny tsy izy mihitsy ny nilalaovana ny nahaterahan’i Jesosy. Ny magy, ny mpiandry ondry, Josefa sy Maria rahateo, Heroda mpanjaka … Dia mikaviavia ange ! Ny tena mahatsikaiky ahy, dia mba te hamerina ny fomba rehetra tamin’ny fotoan’andro, nefa tsy voafehy sy tsy vita manontolo. Sadasada sy safiotra daholo, ka tsy hita loatra izay antony nisahiranana nanangona mololo nefa tsy nanangana tranon’omby mifanahantsahana amin’izany. Rehefa atao, dia atao manontolo. Rehefa tsy voafehy, dia atao araka ny vanin’andro iainana. Na tsy atao mihitsy.

Ka ity « fety » hafahafa natao teny Anatirova hoy aho no mampitsiky ahy e. Harenina hoe ka atomboka amin’i Besakana. Izay angaha no toromariky ny mpahay azy, fa raha izaho adaladala ity, dia Imahitsielafanjaka no nanombohako azy… Fa izaho koa aloha dia hatrizay nahamay an’io tamin’ny nandoroana azy, dia tsy miombon-kevitra amin’ny « fanarenana » an’io intsony. Dia nampitsiky ahy ity tantara tsangana natao teny. Mba miezaka manao tafin’iza ny mpanotrona, fa nanao pataloha ity vehivavy ministra. Mba lava volo ihany ny tena, fa tsy foy notanana ivoho akory izany. Ireto hoe mpilanja ny hazo « fehizoro » iky. Nanjairana fanamiana mitovy. Efa nanao kilaoty be angaha moa tamin’ny nanorenana an’io Rova io ? Mety be angamba ilay « symbolisme » ho an’ny sasany. Fa izaho nahatsiaro ny « fetinay » fahazaza teny an-tanàna …

Efa niala sakana ve ireto olona manao "fampisehoana" ireto sa izaho no heveriny ho tsy nitombo mihitsy?

Tsara ihany va tompoko ? Aza mahafady àry …

12:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: comédie au rova | Comments (0) |  Facebook | | | |

The comments are closed.