Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Friday, 19 April 2019

AMIN'NY ANDRO FAHATELO

Zoma masina 2019.

Afaka mitsara izay tsy ampy fialam-boly sy fanalàna andro. Izaho dia kristiana protestanta voaray ho mpandray ny fanasan’ny Tompo. Fa izaho dia nomen’Andriamanitra fitadidiana tena maranitra, ary toy ny tsy anadinoako ny tsara nomena ahy no hahatadidiako ihany koa ny ratsy vita tamiko. Ny Tompo no ifonako fa misy andinganako ny « vavaka nampianariny ».

Ry Ingahy nanam-pahefana,

Tadidinao angamba, tompoko, ny namakianareo lalana teo amin’ny taninay, nitaomanareo ny vaton-karieranay tsy nisy fifampidinihana. Vola an-tapitrisany no azonareo tamin’izany.

Fantatrao mihitsy, tompoko, ny vava nataonareo tany rehetra tany, mikasika anay. Fahavalo maro no azonay tamin’izany.

Tsy hadinonao koa ny hafalianao afaka nampahafantatra ahy fa anao ny fahefana, anao ny taratasy, anao ny sonia ka ninianao natao ny tsy nanampy raha niharan-doza izahay. Satria izahay tsy mahalala fomba, tsy mahay miara-monina.

Tena naharary ahy ny voatery niangavy ny sonianao, tsy ho ahy, fa ho an’i neny, efa hanan’ny hafanana, nanenjika ny fotoana antoandrobenanahary kisendrasendra hahatrarana anao ao an-tokantranonao, fa tsy ao amin’ny biraom-pokontany

Nila tsy ho vitako ny nihatsaravelatsihy taminareo mianakavy nandritra an’izay taona vitsivitsy izay, satria nilaina ianareo. Vovon’amboa, tsy hery fa tahotra.

Tsy hoe tadidiko, fa tsy hadinoko

Gaga aho raha nahalala tsy fidiny fa eny am-ponja, hono, ianao. Ianao sy ny fahamarinanao, ianao sy ny fahaiza-miaina tsy mba nanananay. Asa hoe paka fahafiry hankalazainao any ity. I Jesosy manko, hono, hiarina amin’ny andro fahatelo. Fa ianao, amin’ny taona fahafiry re no ho tafaverina ety anivonay mpanota

 

12:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: prezidà | Comments (0) |  Facebook | | | |

The comments are closed.