Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Wednesday, 21 June 2017

SEKTA, TEKNIKA FANARATOANA

Tsy tongatonga ho azy ny fahombiazana sy firoborobon’ny sekta . Misy tetikady voarindra tsara ao, ary ny sekta dia rafitra tsy kitoatoa mihitsy fa manana teti-pivoarana nosainina sy nohalalinina ary nohavaozina isan’andro. Miray feo ny mpandinika maro fa mandalo dingana telo hatrany ny fomba fiasan’ny sekta :
-manjono,
-manapotika ny fahafaha-mandinika,
-mandentika tanteraka tsy hahafahana miverin-dalana intsony.
 
3-1-Manjono = Manarato olona
Tsy mahavita irery an’izay tiany hatao ny mpitarika sekta fa mila olona hataony fitaovana : isam-bahoaka hisehoana fa « misy », ary isam-bahoaka hampiasaina sy hotrandrahana (hakàna tombony). Hain’ny sekta ny mampihatra ny fahalalany ny toetoetry ny olona (psychologie) mba hisintonana mpikambana maro. Tsy miroa fo izy mandeha mitety trano sy manatona olona eny an-dalam-be rehetra eny, amin’ny fahatsaram-panahy mahababo sy faharetana tanteraka na inona na inona valy an’avona atao azy.
 
   3-1-1-Fampiasana andinin-tsoratra masina hanozongozonana
Raha ny sektam-pivavahana no horesahana, dia tsy vitan’ny hoe olona vaovao tsy nanam-pirehana mihitsy no azon’ny sekta, fa ireo izay lazaina ho efa « ao am-bala » indrindra no avoakany soa aman-tsara hanaraka azy, ary tena fandresena lehibe ho azy izany. Fombany rahateo ny manjono anaty koveta, fa tany malemy ihany no anorenany fangady. Ny tenin’ny Soratra Masina ihany no ampiasainy amin’izany. Mahay tsianjery andininy maromaro izy. Efa fantany izay hasesika havaly an’izay miady hevitra aminy. Tsy raisiny manontolo ao anatin’ny toe-javatra nanoratana azy (contexte) ny Soratra Masina fa tsongatsongainy araka izay mahafinaritra azy sy ananany izay heveriny ho fahalalana manokana.
 
Ohatra telo no horaisina :
 
A- « Finoana arahina asa » ao amin’ny Jak 2 : 14-26 dia nahitana tantara toy izao : satria maty ny finoana tsy misy asa, dia nasain’ilay mpitondra fivavahana nifofotra nampiasa ny talentany avy ireo ondriny, nanamboatra ny trano itoeran’izy mpitarika. Satria nasesika tao an-tsain’izy ireo fa izany no tenin’Andriamanitra, dia roboka ny maro « hiasa » sy « hitsemboka » maimaimpoana ho an’ny « fikambanana » (ka mihevitra fa ho an’Andriamanitra !).
 
B- « Sabata sy ny fifadian-kanina » : raha mijanona ao amin’ny testamenta taloha dia anisan’ny biby voalaza fa maloto ka tsy azo hanina ny kisoa (Lev.11). Ny amin’ny hoe fanajana ny andro sabata (Deot.5 : 14), dia roritina eo amin’ny maha-andro fahafito azy ny sabata. Izao anefa no voasoratra ao amin’ny Kol 2 :16-17 raha mba nohalalinina manontolo ny baiboly : « Aza avela hisy hitsara anareo ny amin’ny fihinana, na ny fisotro, na ny andro firavoravoana, na ny voaloham-bokatra, na ny Sabata ; aloky ny zavatra ho avy ireny fa ny tenany dia an’i Kristy »
 
D- « Fahafolon-karena » : ankinin’ny sekta tanteraka amin’izay voasoratra ao amin’ny Deot.12 : 6, ; ny Mal.3 :8-10 sy ny sisa ny famolosana ny mpikambana. Nahitsin’i Jesosy anefa izany teo am-pahitana an’ilay mpitondratena nandatsa-drakitra : « ireo rehetra ireo dia tamin’ny haben’ny fananany no nandatsahany tao ; fa izy kosa, tamin’ny alahelony no nandatsahany tao izay rehetra nananany, dia ny fivelomany rehetra » (Mar.12 : 44). Izany hoe tsy misy tahany hoe ampahafiriny na ampahafiriny.
 
Daniel RAHERISOANJATO, mpahay tantara, mpampianatra mpikaroka ao amin’ny Oniversite-n’Antananarivo dia nanao fandalinana ny amin’ny tantaram-pivavahana teto Madagasikara. Nivoitra tamin’izany fa ny ankamaroan’ny sekta misy eto dia mifototra amin’ny Testamenta Taloha sy ny Apokalypsy, izay misy zava-dalina sy karazam-pahitana tsy takatry ny saina. Hain’ny sekta ny mitsongo andalan-tSoratra Masina amin’ireo mba hanitikitika ny sain’ny olona mandeha am-pahatsorana.
 
Vokany :
 
-Teraka ao anaty ny fisalasalana
-Liana hanatona bebe kokoa an’ilay nampianatra mba haka toky tsara
-Tafiditra lalina ka tsy manam-potoana intsony hamakafakana fa efa niray volo tanteraka tamin’ireto mpiray fikambanana vaovao, izay tena mahay mandray olona tokoa
-Ilaozana ny fiangonana nahazatra satria « diso »
-Manjary mpitsara io fiangonana nisy azy taloha io ilay olona : toetra sekta izay
-Ary satria nahazo « fahazavan-tsaina » sy « fahalalana vaovao », dia mahatsiaro tena ho nisondro-bidy ka miroso mampianatra ihany koa è Miakatra grady lasa « loholona », « pasitera », … izany hoe miakatra ho isan’ny lohandohan’ny mpisorona ka rehefa misy hirika kely dia miroso manangana vaovao indray.
 
   3-1-2-Fanararaotana toe-javatra mandalo
Tsy « miandry mahazo » manao finta-mandry ny sekta, fa tena « mitsikaraka » mihitsy. Mazàna dia tsy ny olona no tonga mandòm-baravarana amin’izao any amin’ny sekta, fa ny sekta no miremby. Manamafy izany ilay mpikambana « scientologue » iray Philip ZIMBARDO milaza fa tsy miditra ho mpikambana (adhésion) fa raisina ho mpikambana (recrutement), ary ilaina ho mendrika horaisina (méritant). Tsy olona miavaka (misongadina) amin’ny besinimaro akory ireo olona lasan’ny sekta ; mitovy amin’ny rehetra ihany izy saingy ny ankamaroany dia nandalo fotoan-tsarotra teo amin’ny fiainany sy ny fisiany, ary mamoha varavarana ny sekta amin’ny fihetsika asehony :
•tsy fahampiana ara-bola noho ny antony maro (tsy fananana anton-draharaha ampy hivelomana sy hiatrehana ny tsy ampoizina)
•olana ara-pifandraisana (ankohonana, vady, fianakaviana, tanora miala sakana, fiaraha-monina, toeram-piasana)
•aretina mitarazoka sy toa hafahafa
•faniriana mafy toa tsy mety ho to (toerana eo amin’ny fiaraha-monina, tanora te hanambady, mpivady mitady taranaka, mpanakanto te halaza)
•fahadisoam-panantenana isan-tokony (fisarahana, fanilikilihana, fahatafintohinana tany amin’ny fiangonana nisy ny tena, fatiantoka, fahafatesana)
•mpivahiny eo an-tanàna ka toa irery tsy manana namana firy (mpianatra kilasimandry, mpiasa mamita iraka)
Mihamora ny asan’ny sekta raha toa ka :
•manana toetra lian-draha tia andranandrana sy tia resadresaka ireo sokajin’olona ireo
•mivenjivenjy sy mitomoe-poana eny rehetra eny ireo olona ireo (lolo mitono tena)
 
Toerana tena iroboroboan’ny sekta ny faritra iva ahitana olona maro toy izany. Sylvain URFER, pretra zezoita dia milaza fa eo amin’ny kartie Anosibe iadidiany (Antananarivo IV), dia misy sekta 12 tamin’ny taona 2005.
Mametraka baraingo amin’ny maha-olona ilay olona avokoa ny fahasahiranana toy izany. Rehefa tratr’izay dona izay dia tsy afaka handinika araka ny tokony ho izy intsony fa miraparapa tokoa. Amin’izay fotoana maha-irery izay, dia mora foana ny hiantorahana amin’izay mampanantena vaha-olana haingana, ary mivoady mihitsy hamaly babena an’izay « mpamonjy » izay. Tena hain’ny sekta ny mandrangaranga vaha-olana toy izany.
 
HOHAFOHEZINA NY TOHINY
 
   3-1-3-Fahafehezana ny hairaha (technologie)
-Mahafehy ny « varotra » izy (marketing) : hainy tsara ny « entana » amidiny (ny foto-kevitra aeliny, ny fikambanany) ; fantany tsara ny « mpividy » kendreny. Mahafehy tsara ny « tsena » iasany izy : iza avy no mpifaninana ; mpifaninana izay mionona amin’ny fomba fitoriana efa nahazatra nandritra ny taonjato maro (ny fiangonana ara-tantara io) satria matahotra fanovàna sao mampivaona ny asa atao angaha ? Ny tsy fahafehezana ny teknika vaovao anefa no mahatonga ny tahotra.
 
-Mahafehy ny teknikan’ny dokam-barotra sy fandresen-dahatra ny sekta amin’ny alalan’ny fandalinana ny toetry ny olona sy ny vondron’olona (psychologie). Fantany ny vanim-potoana ahafahany miditra an-tsehatra, ny toerana iasany, ny olona tafihany, ny fomba isarihany. Maharaka tsara ny zavatra malaza sy lamaody ny sekta. Na ny ngadon-kira izany na ny fomba fitafy na karazam-panatanjahan-tena. Fitaovana mahomby ny « analyse transactionnelle », « leadership », « management », ny « coaching » izay malaza tokoa ankehitriny. Ny mpiasa amin’ny orinasa dia tratra amin’ny fomba fitantanana sy karazam-panofanana « formation professionnelle » atao ao am-piasana.
 
-Mahafehy ny serasera sy ny fomba fampitan-kafatra rehetra manaraka ny toetr’andro ny sekta (NTIC : nouvelle technologie de l’information et de la communication) : internet, téléphonie izay mahatakatra olona marobe amin’ny fotoana iray sy amin’ny fotoana fohy. Eo koa ireo haino aman-jery samihafa.
 
-Mahafehy tsara ny teknikan’ny fikarakarana ny « ressources humaines » ny sekta. Ny tanora sy ny ankizy dia voajono amin’ny fampianarana teny vahiny, fanatanjahan-tena, fialam-boly sy ny sisa.
 
Raha fintinina dia mahita hirika hitrandrahana tsara ny atao hoe « motivation »-n’ny olona, ary dia mahay manarato olona tokoa.
 
(Narindra avy amin’ny SEKTA, NY PAIKADINY SY NY AMPINGAKO
Berthile RAVELONANAHARY
Andiany SAHY 2008, SETELA, Ambatonakanga)

20:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: sekta, ravelonanahary berthile, setela, andiany sahy | Comments (0) |  Facebook | | | |

The comments are closed.