Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Saturday, 09 December 2017

SAKAFO

Fiofanana nandoavam-bola, natao teto Antananarivo. Roa andro. Nolazaina fa efa ao anaty sarany ny sakafo antoandro. Ny mpihofana dia misy avy amin'ny toerana samihafa tena lavitra : Miarinarivo, Moramanga, Antsirabe, Marolambo, Toamasina, Sambava, Nosy Be, sy ny sisa. Ny toeram-pihofanana dia afovoan-tanàna ahitana karazan-toerana ahazoana misakafo na manohana aina, sahaza ny fahafaha-mividy rehetra. Ny ora fihofanana dia ahafahana manomana sakafo avy any an-trano tsirairay avy. Izany hoe, tsy sahirana mihitsy na tsy nisy sakafo antoandro aza.
 
Tsy fantatro na ampahafiriny tamin'ny sara naloa no voatokana ho an'ny sakafo.
 
Izao no naroso :
 
Andro voalohany :
-Vary somary betsaka, efa eo an-dovia isanisany, maina tsara, maina loatra, mampihika fatratra raha tsy nolemana tamin'ny ranon'ampango. Efa mitondraka tsara eo amboniny ny hoe lasary sy laoka, araka ny fomban'ny "traiteur" "manara-penitra", izany hoe :

-Karaoty voakiky sy laisoa kely, toy ny hoe indray mitsingina tamin'ny lohan'ny fourchette, nasiana sira, izay ihany. Tsy misy dia-menaka, tsy misy tsirom-binaingitra. Ankevitry ny efa voavaofy hatry ny omaly satria dia maimaina sy lozotra

-Asa na ohatrinona ireny atin-kena masaka lanjalanjaina amin'ny koveta eny Behenjy ireny. Ny laoka manko dia atin-kena omby, didiny iray faran'izay fisaka, tokony ho 5cm ny savaivony, misy saosy tongolobe sy voatabia eran'ny sotro

-Ho an'ny rehetra kosa, sakay lehibebe noho ny pilokely, 6 isa, tamin'ny lovia kely toy ny filalaovana dinety fahiny, miampy tetika manga manta madinika toy ny pitipoà miisa 3

-Iderana ny mpikarakara ny habetsaky ny ranon'ampango, nanaram-po tokoa ny rehetra, na dia matimaty sy zara fa nahazo loko aza ...
 
Nalahelo aho nijery an'ireo vary be dia be sy karaoty nariam-potsiny nony vita ity hoe ... sakafo antoandro. Tsy nisy niteny betsaka. Tsy hanin-kahavoky fa angamba voninahitra namitahana ny kankana. Sady nilain’ny serasera koa, hono, ny mba miaraka misakafo e. Nofon-kena mitam-pihavanana.
 
Tsy natao tao anaty tombana ny mikasika an'iny sakafo iny.
 
Andro faharoa :
-Vary maina, ary dia maina ara-bakiteny tokoa. Somary nihena ny fatrany. Itony ilay ahohoka maka bikan-tsatokaty itony, satria nisy hoe "chef" nanao fanamiana nijoro tokoa ange teo e. Nantenaiko fa hilaza ny anaran'ny nahandro tsirairay ...

-Concombre notetehina toy ny kodiakely, ankevitry ny roa sotro no natao nanara-tsisiny. Henon'ilay Chef aho niteny tamin'ilay teo anilako hoe "mba misy vinaingitra indray ve izao io?". Ahoana an? hoy izy, fa nodiako variana. Mazava ho azy fa zara raha nisy sira. Nakepoka fa noana.

-Ny laoka kosa dia saosisy voany iray mirefy 3cm toy ny masa-drano fa tsy noendasina, tsaramaso-voanjo maimaina ihany koa miisa 25. Nisy somary mandomando, asa na ro na saosy, fa izay no nanampy nahalaniana vary misimisy kokoa noho ny omaly

-Ny sakay dia ny ambin'ny omaly ihany no niverina niakatra an-databatra
 
Mbola indreny ihany ny ambim-bary be, nampahatsiaro an'i Bobi tany an-tanàna ...
 
Nofinofy be mihitsy izany hoe pause-café, dessert, ...
 
Tsy alahelon-kanina velively fa efa nihoarako ela ny fiankinan-doha tamin'ny sakafo. Fa izao, ho avy izao ny fetifety ka na inona na inona anton-javatra handrosoana sakafo ho an'olona :
 
-ataovy ady gasy fa aza be filirony nefa "hafahafa"

-aleo atontona amin'ny vary sy laoka ny vola ananana toy izay hanao zavatra maro loha tsizarizary. Tsy maty raha tsy misy "entrée" na iray na roa na firy. Tsy maty raha tsy misy "cocktail de bienvenue". Tsy maty raha tsy misy gâteaux. Tsy maty raha tsy misy divay. Tsy maty raha tsy misy "candy bar". Vao mainka tsy maty raha tsy misy afomanga.

-ny laoka dia tsy maninona mihitsy na hena sy anana asiana ro, ataovy tsara nahandro fotsiny. Tsy maninona na tsaramaso nalain-dro, mba asio menaka fotsiny. Tsy maninona na ron'ovy sy patsa, ...

-raha ampy ny vola dia akondro atao tsindrin-tsakafo. Tsy maty raha tsy manao salade de fruits. Tsy maty raha tsy misy glace ...
 
Dia rehefa tena tsy ampy na tsy misy na tsy hay, dia aleo tsy manao.

00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: repas compris, repas offert | Comments (0) |  Facebook | | | |

The comments are closed.